Ireo Misionera sy ny fanambadiany.

HANAMBADY INGAHY MISIONERA LMS

 

Ireo Misionera LMS izay nirahina eran-tany, dia nandalo avokoa izany lalan’ny fanambadiana izany. Nanana izay noheveriny fa mety koa ny Talen’ny Sekoly Misionera tao Gosport, ary tsara ny hahafantarana izany ankehitriny, mba hahaizana koa mitondra ny fanomanana ny Mpitandrina irahin’ny Fiangonana hitory.

 

FOTOKEVITRY NY SEKOLY MISIONERA

Hatramin’ny taona 1807, dia nampanaovin’ny Sekoly Misionera tao Gosport, Sonia ireo mpiomana ho Misionera, fa tsy hanambady izy ireo mialoha ny fanirahana azy. Niteraka olana goavana teo amin’ny fianakaviana sy ny Fiangonana anefa izany. Ireo dia resy lahatra fa, tokony hanambady ny Misionera mialoha ny fanirahana azy.

Ny politikam-pitantanana nataon’ny Sekoly Misionera, dia ny haniraka Misionera mpitovo mandritra ny 2-3 taona eo. Aorian’izay izy ireo vao mahazo manambady. Mba efa hitany tsara koa izay vehivavy fantany sy hitany fa afaka manampy azy tsara amin’ny fitoriana.

Voatery nilefitra kely ny Sekoly noho izany, ka ny ankatoky ny hanirahana dia efa fantatra izay vehivavy vadin’ny Misionera. Ary rehefa tsy fantatra ny daty mazava hiondranan’io vehivavy io hamonjy ny tany nanirahana azy mivady, dia nofoanan’ny Sekoly ny fanirahana azy ireo. Tratran’izany fanafoanana izany ny dian- dRamatoa Taylor, izay hanaraka ny vadiny ho any Inde, saingy tsy nisy daty mazava hiaingany tokoa.

Izy roalahy, David JONES sy Thomas BEVAN, izay Misionera voairaka hankaty Madagasikara, dia niharan’izany fihenjanan’ny Talen-tSekoly Misionera, tamin’ny taona 1817. Tafainga soa aman-tsara anefa ireo tokantrano roa ireo, ka afaka namonjy an’i Madagasikara.

FOMBA NANAMBADIAN’NY MISIONERA

Hatramin’ny taona 1817, dia nisy fomba telo (3) nanambadian’ny Misionera, izay efa namonjy ny toerana fitoriana, nefa mbola mpitovo tamin’izany. Voalohany, dia niverina niala sasatra tany Angletera ny Misionera, ka nandritra izany fotoana izany no nakany vady, ary nentiny nanaraka azy rehefa namonjy indray ny toeram-piasany izy.

Faharoa, dia nijery izay vehivavy misionera mbola mpitovo izy ireo, ka ireny no nalainy ho vady. Tamin’ny fotoana efa mba maromaro ireo Misionera lahy sy vavy voairaka izany no niainany. Fahatelo, dia  nifidy izay vehivavy teratany tena efa niova ho Kristiana tokoa ny Misionera lehilahy. Teto Madagasikara dia noheverin’ny Misionera Vanderkemp hampiharina ity hevitra ity.

TSY NAHOMBY NY TETIKA

Tsy nahomby araka izany nikasan’ny Sekoly azy izany anefa ny zava-nisy tany Tahiti. Koa dia nohalefahana io fepetra henjana io. Ny taona 1809, dia nandefasana tovovavy voafantina tamin’ny lafin-javatra samihafa ireo Misionera any an-tany lavitra, mba hifidianany izay ho vadiny. Tsapa mantsy fa anisan’ny tsy nahazoan’ny Misionera vokatra tsara ny tsy nananan’izy ireo namana araka izay tiany ho vadiny.

Ireo Misionera nanambady avy any aminy koa, dia nitady làlana hiverina an-tanindrazana. Tsy nifantoka firy tamin’ny fitoriana izy ireo. Koa dia naroson’ny Sekoly ny hevitra manaraka: afaka manambady vehivavy teratany ny Misionera, satria ireny no mahay ny teny, ny fomba, ny tanàna, ny mponina ao aminy. Afaka mitari-dalana tsara any amin’ny aleha rehetra ireny vehivavy teratany ireny. Ny 2-3 taona niasany tany, dia ampy koa hahafantarany izany vehivavy mety ho vadiny hifanohana amin’ny Fitoriana tokoa.

SAFIDY TEO AMIN’NY VADY

Ireo Misionera, izay nanambady olona avy aminy, dia saika naka vady mpiray fiaviana aminy ihany. Saingy olona nanana fari-piainana tsara sy ambony kokoa noho ny azy ireny vehivavy ireny. Mary Thomas, izay vadin’i D. Jones, dia zanaka recteur Sekoly ambony tao Bala sady Profesora. Nisy koa ny naka vehivavy mpiray fiangonana taminy, toa an’i T. Bevan, izay Misionera voarika taty amintsika. J Cameron dia nanambady vehivavy izay mpiray firenena (ecossaise) taminy.

Izany anefa dia nandalo hatrany ny sivana tany amin’ny Talen’ny Sekoly Misionera, mba hijerena izay vehivavy tena mendrika amin’ny moraly, sady nanana ny saina misionera tokoa. Olona mendrika ara-toetra ny ho vadin’ny Misionera, ary tena afaka mitory tsara toa ny Misionera rahateo ihany koa.

A. Zaka , Mpitandrina 

 

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV