Fjkm Ambohipotsy / Fanokafana 150 t


FJKM RASALAMA MARITIORA AMBOHIPOTSYMiaina ny taon-jobily faha-150 taona

Miditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-150 taona ny fiangonana ankehitriny ireo kristiana eny amin’ny FJKM Tranovato Rasalama Maritiora Ambohipotsy. Ny Alahady 19 Novambra 2017 . lasa teo no nanokafana izany ka nitarika ny fotoana ny Prezidà Synodaly Antananarivo Atsimo,  RABELISON Harimanitra Manassé, Mpitandrina. Nitoriteny kosa ny Mpitandrina RAKOTONINDRAINY Jaona, Tonian’ny Departemanta Fiangonana, ary nakany ny hafatra dia ao amin’ny Salamo 72: 19b manao hoe “Ary aoka ny tany rehetra  ho henika ny voninahiny. Amena dia Amena”, izay teny fanevan’izao jobily izao . Marihana fa io  teny io ihany koa no teny faneva tamin’ny nanorenana ny trano fiangonana 150 Taona lasa izay .

Trano lehibe ahitana rihana telo nosalorana ny anarana hoe “Akany Rasalama” no tsangambato izay ezahin’ireo mpianakavin’ny finoana hovitaina sy tokanana amin’ny ivon’ny fankalazana ny 17 sy 18 Novambra 2018.

Andro izay mifanojo indrindra amin’ny nitokanana ny trano fiangonana 150 taona lasa izay, ny 17 Novambra 1868.

Marihina fa, taorian’ny fanompoam-pivavahana dia nisy fitsidihana ny fampirantiana an-tsary sy soratra mirakitra ny tantaran’ny fiangonana hatrany am-piandohany fahagola izay  niaraha-nifarimbona tamin’ny Arsiva Nasionaly.

R.Philémon

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV