KPMS FJKM / Alahady iombonana 2017 .

Fandaharana 26 Novambra 2017 .

Alahadin’ny KPMS

Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino

Feon-javamaneno fidiranaFiarahabana Apostolika  Fiderana an’ Andriamanitra :Salamo 117Hira fanampinyVavaka fideranaSitrapon’ Andriamanitra +sambatra ny mahitsy làlana… FifonanaHira 412: 1Famelankeloka + Sambatra  ny olona izay …Hira 36:1,2Fanekempinoana Apostolika Raharaham-piangonana RAKITRAFanolorana ny Rakitra : Hira 440.3,4Hira 212VavakaFamakiana ny Soratra masina

  • Zefania 3.14-20
  • Lioka 21.25-28
  • Jak 5:7-11

Hira 175:1,2,3ToritenyVavaka fangatahanaFamakiana ny Hafatra avy amin’ny KPMSAsa vavolombelona Hira 338Tsodrano Vavaka  manginaTrinite masina……………………………………………………………………………………………………………………………

TORITENY

ZEFANIA 3.14-20

« Ny toe-po entina miandry ny fiavian’ny Tompo « 

Misy toetra fototra takina amin’ny mino eo am-piandrasana ny  fiavian’ny Tompo :

1-Mifaly  ny mino satria mampanantena fanafahana ny Tompo. Mampanantena famelankeloka ihany koa. Tsy fifaliana anaty ihany fa miseho ety ivelany , tsy takona afenina , azon’ny rehetra hidirana sy hananana, mifototra  amin’ny fiderana an’ Andriamanitra .

2-Mametraka ny Tompo ho ivo : Izy no avela hiady  mba handresena  ireo fahavalo . Izy no hianteherana hamonjy  sy hanafaka ary hiaro .

3-Mampandray anjara ny rehetra  hatramin’ireo voailikilika  sy anjorombala , ireo nania , manan-kilema, ireo mibaby henatra sy latsa ireo miaritra fijaliana . Ny firenena rehetra fa tsy ny Jiosy ihany . Ny olona rehetra dia tokony  handray anjara amin’ny fifaliam-pamonjena na inona na inona  mahazo azy , na aretina na zavatra manahirana eo amin’ny fiainana . Koa aoka isika samy hifanohana  sy hifandray tsara  amin’ny faharetana sy ny vavaka mba samy ho voavonjy  avokoa.

Ho an’ Andriamanitra ny Voninahitra. Amena

……………………………………………………………………………………………………………………………

TARATASY PASTORALY

Misaotra an’Andriamanitra Ilay Tompon’ny asa sy ny antso noho ny fombàny ny Fiangonany amin’ny asa famontosana Filazantsara ny zanak’I Madagasikara.

Asa marolafy tokoa izany ka mila fandrindrana sy fifarimbonana.

Ao anatin’izany ny asa napetraky ny Fiangonana amin’ny KPMS/FJKM araka ny Teny ao amin’ny Soratra Masina manao hoe: “Ataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko?” Estera 8: 6a

Ny antom-pisian’ny KPMS/FJKM dia manatanteraka ny fanapahankevitry ny Synoda Lehibe nifandimby izay nohamafisina hatrany nanomboka tamin’ny taona 2000.

Misaotra an’Andriamanitra tamin’ireo asa vita: fanofanana, fitiliana, fandraisana an-tànana, fiaraha-mientana sy fiaraha-midinika tamin’ireo mpiara-miombona antoka sy ny ambaratonga mpiahy.

Mbola manohy ny ady amin’ny VIH/SIDA isika FJKM, anisan’izany ireo asa vavolombelona izay natao :

  • Fanaovana fitiliana tany Antsiranana nandritra ny fifampiofanan’ny Mpitandrina sy ny vadiny sy ny fanokafana ny Jobily faha 50 taonan’ny FJKM sy faha 200 taona nidiran’ny Filazantsara. Nahatratra 250 no fitambaran’ny Mpitandrina sy Laika nanaiky nanaovana fitiliana.

Dingana lehibe izany ijoroana vavolombelon’ny fahasalamana (Seronégativité) sy ny fahavononana handray an-tànana ireo mitondra ny tsimokaretina (seropositifs).

  • Fandraisana an-tanana pastoraly ireo olona mitondra tsimokaretina (PVVIH) amin’ny alalan’ny dinika manafaka sy fiaraha-miasa amin’ny Médecin référant izay endrika manokana sy lali-paka eo amin’ny Fitoriana ny Filazantsara.
  • Fanofanana ireo mpianatra eny amin’ny Toeram-panomanana Mpitandrina izay hiitatra amin’ireo mpiomana ho mpampianatra.

Araka izany dia asan’ny Fiangonana no atao ka mila fanohanana amin’ny lafiny maro, voalohany amin’izany ny fitondrana amim-bavaka, manaraka izany ny firotsahana an-tsehatra araka izay ambaratongan-drafitra misy sy ny fiarahamonina manodidina ary ny fanohanana ara-bola amin’ny alalan’ny rakitra ataon’ny Fiangonana na fanomezana mivantana aterina ao amin’ny Foibe FJKM rihana faha 4 na arotsaka amin’ny

Compte BOA 05020 1 602281 000 9 KPMS/FJKM

Miara-misaotra an’Andriamanitra sy mangataka Aminy isika handavorary ny zara fanompoantsika amin’ny alalan’ny fanompoampivavahana isam-pitandremana amin’ny litorjia iombonana avoakan’ny Komity Foibe KPMS/FJKM izay hatao ny Alahady 26 Novambra 2017.

Raha misy ny fotoana mifanindry dia afaka manendry daty hafa.

Dia samia homban’i Jesoa Kristy amin’ny fahasoavana sy ny fiadanany isika rehetra.

Ny Filohan’ny KPMS/FJKM

 RAZAFIMAHATRATRA Jean William , Mpitandrina

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV