SP Matsiatrasoa (25) / Tafika masina


Vontosy Filazantara ny Nosy Madagasikara
SP MATSIATRASOA – 13, 14, 15 Oktobra 2017- SAHAMBAVY

Tanteraka sy niainana izany teny faneva izany nandritra ny tafika masina andiany fahatelo sady farany amin’ity taona 2017 ity, teto aminy Synodamparitany Matsiatrasoa, ny 13, 14 ary ny 15 oktobra 2017 lasa teo, tao amin’nykaominina ambanivohitr’i Sahambavy, Distrikan’i Lalangina. Raha tamin’ny volana Febroary 2017 tao Anjanomanana distrikan’i Mahaditra ny andiany voalohany tamin’izany tafika masina izany, dia ny volana may 2017 kosa ny andiany faharoa izay notanterahina tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Anara, distrikan’Ambohimahasoa.

Niisa 122 ireo mpiantafika tamin’ity andiany fahatelo ity, nanampy azy ireo ihany koa ireompino FJKM tao Sahambavy. Nozaraina ho sokajy 11 izy ireo ka ny sokajy 10 no nidina an-tsehatra niantafika, fa ny sokajy iray farany kosa nijanona tao an-tanàna nitondra am-bavaka manokana ny asa fitoriana. 252 no isan’ny toerana nihaonana, nisy tamin’izany teny an-tsaha, ary nisy ihany koa tany an-tokantrano. Nahatratra 2003 ireo olona nitoriana ny tenin’Andriamanitra nandritra izany fotoana izany

Sahambavy
Azo lazaina fa maro ireo karazam-piangonana ao Sahambavy. Tsy vitsy noho izany ireo izay efa manana ny fiangonany, efa misy FJKM ihany koa ao miorina amin’ny vondrom-piaraha-mivavaka, efa ho herintaona izao.
NyTokiniAina. zoma folakandro 13 oktobra dia efa tonga teny an-toerana ny rehetra niatrika fampiofanana, ary ny trakta vontosy filazantsara no fitaovana nentina niantafika. Ny tontolo andron’ny sabotsy 14 oktobra no nirotsahana nitetezana ny tanànan’i Sahambavy nitoriana ny vaovao mahafaly. Fanompoam-pivavahana famaranana sy fiombonana kosa no namaranana izany ny alahady 15 oktobra. Nahavelom-panantenana fa maro ireo olom-baovao tonga nanotrona izany fotoana izany.’

Tafita ny hafatra ,hoy ny Prezidà Synodaly Synodamparitany Matsiatrasoa RAZAFINDRABE Raymond. Fanamafisana ny finoana sy fankaherezana ary fitaomana ireo mpino hamonjy ny fiangonana misy azy tsirairay avy no nimasoana. Amin’ny taona 2018 indray ny fotoana manaraka.

TokiniAina.

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV