FMBM / Fianarantsoa

Tobim-pamatsiana Baiboly sy Boky isankarazany

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 12 Novambra 2017 ny tobim-pamatsian’ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy (FMBM) any Fianarantsoa raha nikatona nandritra ny volana vitsivitsy.

Notanterahina tao amin’ny “Espace Tombontsoa” Fianarantsoa ny fanompoam-pivavahana fisaorana an’Andriamanitra, izay niarahan’ny FMBM tamin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Fiangonana, ireo tomponandraiki-panjakana eo an-toerana ary ny kristianina tsy an-kanavaka.

Nandritra izany fotoana izany no nanoloran’ny Foibe FMBM an-Rtoa RAMANANKANTENAINA Ainamahavonjy Julie, izay solontenan’ny FMBM hiandraikitra ny tobim-pamatsiana ao Fianarantsoa. »

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV