FJKM Amparibe Famonjena / Gazety 40 t
Gazety TARATRY NY FAMONJENA
Manamarika ny faha 40 taona nijoroany
1977 – 2017, feno 40 taona ankehitriny ny Gazetim-piangonana TARATRY NY FAMONJENA ao amin’ny FJKM Amparibe Famonjena. Gazety anisany naharitra sy zokiny amin’ny gazetim-piangonana eo anivon’ny sahan’ny FJKM. Ahitana 32 pejy, mivoaka isam-bolana, ary miditra amin’ny laharana faha-481 izy. Tsy eo amin’ny fiangonana misy azy ihany no ipariahany fa hatrany ivelany amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia moderina.
Nosantarina ny Sabotsy 04 Novambra lasa teo ny fanamarihana ny fankalazana izao tsingerin-taonany izao tamin’ny alalan’ny fikarakarana fihaonana tamin’ireo Mpiandraikitra ny gazetim-piangonana hafa sy ireo efa miara-miasa aminy. “ Lahatsoratra toa inona koa no sahaza ny Fiangonana?”, io no lohahevitra nobanjinina nandritra ny fihaonana izay natao indrindra nifanakalozana traikefa momba ny gazetim-piangonana. Maro ireo hevitra nivoaka tao anatin’izany na nandritra ny famelabelarana fohy nataon’ireo solontenan’ny gazety nasaina na avy amin’ny tsirairay nanatrika. Samy naneho ny heviny na ireo avy amin’ny gazety vao haingana no nivoaka na ireo efa ela nijoroana ary dia nahitana vokatra ny fifanakalozana. Nahafaly ny rehetra ny nisian’izao fihaonana sy fifanakalozana traikefa izao ary irin’ny rehetra ihany koa ny hitohizan’ny toy izany na ny hisian’ny fifampiofanana.
Ny alatsinainy 06 sy ny Alarobia 08 ary ny Zoma 10 Novambra dia nisy hetsika samihafa notanterahina tao am-piangonana Amparibe Famonjena nanamarihana izao tsingerin-taona izao. Ny Alahady 12 Novambra kosa no ho ivon’ny fankalazana. “Isika rehetra koa dia…toy ny fitaratra tarafin’ny voninahitry ny Tompo” (2 Kor 3: 18a), io ny teny faneva noraisina amin’izao faha-40 taonan’ny gazety Taratry ny Famonjena izao. Misy ihany koa ny gazety laharana manokana navoaka enti-manamarika izany.
Aris