AFIFAB / FJKM Wagner (SP 37)


Fiaraha-miasan’ny AFIFAB sy ny FJKM Wagner

Nanolotra fitaovana informatika ho an’ny AFIFAB ,Solosaina fampiasa any amin’ny birao miisa roa efa nahavitana ny pitsopitsony teknika  ilaina amin’ny asa fanaovan-gazety, sy solosaina azo enti-tànana iray izay efa vita “configuration” ho amin’ny fandrafetan-tsary “vidéo”, ireo no fitaovana natolotry ny fiangonana FJKM Wagner(Paris)Synodamparitany faha-37 Vatofehizoro Ampitan-dranomasina ny Asa Fifandraisana sy Fampahalalam-Baovao na AFIFAB FJKM.

Ny Mpitandrina RAHOLIARISON Yves, Filohan’ny Sakaizan’ny Radio Fahazavana maneran-tany no nanolotra izany ny Alarobia 25 Oktobra 2017  lasa teo tao amin’ny biraon’ny AFIFAB FJKM.

Ny Talen’ny AFIFAB, RAZAFIMALALA Tantely Hariliva niaraka tamin’ny solontenan’ny Komity AFIFAB, RAOELISON Gaby , ary tomponandraikitra ao amin’ny asa fanaovan-gazety kosa no nandray ireo fitaovana ireo. Nambaran’ny nanolotra ny fitaovana, fa santatra am-bavarano ihany izao fanomezan-tànana izao.

Marihina, fa  tena ilain’ny AFIFAB tokoa ny fitaovana toy izao satria iaraha-mahalala ny tsy fahampian’ny fitaovana eo am-pelatànany eo amin’ireo sehatra samihafa mandrafitra azy : ny Radio Fahazavana, ny Gazety Marturia Vavolombelona, ary ny Site Web FJKM.Misaotra sy mankasitraka ireo havantsika nanao izany fanomezana izany isika .

Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra .

afifab/ Foibe FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV