FJKM Androndra Fahasoavana 150 T

Mankalaza ny faha- 150 taona

1867-2017 feno 150 taona ny fiangonana Androndra Fahasoavana. Tahaka ny fomba fanaon’ny rehetra dia mizara roa ny hetsika hatao ho fankalazana izany taon-jobily izany.

Ny Alakamisy 26 oktobra no fiarahana tamin’ny Foibe sy ny synodamparitany.Tamin’ny 9 ora maraina tsy diso no nanomboka ny fotoana ka nitokanana ara-pombam-piangonana ny tsangambato dia ny trano fiangonana nitarina izany tamin’ny alalan’ny fanapahana ruban. Ny Prezida synodaly RABELISON Harimanitra Manasse Mpitandrina no nitarika ny fotoana ary ny Filohan’ny FJKM IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi kosa no nitondra ny hafatry ny soratra masina nalaina avy amin’ny teny faneva dia izay hita ao amin’ny  Asan’ny Apostoly 1 :8 «  Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny fanahy masina aminareo ka ho vavolombeloko eto Jerosalema, Jodia Samaria ary hatrany amin’ny faran’ny tany » Io fotoana   Niafara tamin’ny fiaraha -misakafo ny fotoana.

Marihina fa ny Alatsinainy 23 ka hatramin’ny Zoma 27 dia nisy hatrany ny rindrankira niarahana tamin’ny mpanakanto maro sy ireo sampana velona tao amin’ny fiangonana .Ny Alahady 29 Oktobra no fankalazana faharoa sady farany. Io no fotoana niarahan’ireo mpino rehetra avy ao amin’ny FJKM Androndra Fahasoavana sy ny SP AA 11 niara-nankalaza an’ Andriamanitra noho  izany taon-jobily izany.

Ezaka tsara alain-tahaka tokoa no nasehon’ny FJKM Androndra Fahasoavana satria tsy nisy fitadiavam-bola ivelany ny nahavitan’izy ireo ny trano fa dia fahafoizana avy amin’ny kristiana tsirairay nandritra ny taona vitsivitsy . Notanterahan’izy ireo ny voalaza ao amin’ny soratra masina hoe “Aoka  tsy ho tia amin’ny  teny na amin’ny lela isika, fa amin’ny asa”.

Ho an’ Andriamanitra irery ny Vononahitra

Dorselle


Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV