Hafatry ny Filoha .

HAFATRY NY MPIANDRAIKITRA FOIBE
MF.03/SLXVIII
CFD Ampandrana 18-25 Oktobra 2017

 

« Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo » (Efes.1/2)

Ny Mpiandraikitra Foibe izay nivory ara-potoana teto amin’ny CFD Ampandrana, Antananarivo tamin’ny 18 – 25 Oktobra 2017, dia mamangy ny Kristiana rehetra manerana ny sahan’ny FJKM, ary mandefa izao hafatra izao ho an’ny vahoakan’Andriamanitra sy ireo tompon’andraikitra rehetra isan’ambaratonga :
1. Manoloana izao firongatry ny Pesta izao dia mampahery ny vahoaka manontolo, indrindra fa ny Fiangonana sy ny sekoly, ny Raiamandreny sy ny Mpianatra, mba hiorina amin’ny finoana ka hivavaka ho an’ny firenena, ary ho lohalaharana amin’ny fanohizana hatrany ny fitandroana ny fahasalamana sy ny fahadiovana.
2. Natao tao amin’ny FJKM Ankadifotsy tamin’ny 22 Oktobra 2017 ny fisaorana an’Andriamanitra ho fankasitrahana an’Andriamatoa RASENDRAHASINA Lala Haja, Mpitandrina, mivady sy ny ankohonany noho ny naha-Filohan’ny FJKM azy nandritra ny 12 taona (2004 – 2016). Entanina sy ampirisihina ny Synodamparitany rehetra sy ny Fitandremana mba samy handray anjara ka hanao izany fankasitrahana ny Mpanompon’Andriamanitra izany.
3. Mampahery sy mivavaka ho an’ireo havana rehetra, mponina ao an-tananan’i Mananjary izay niharan’ny haintrano. Aoka samy hahatsiaro hivavaka ho azy ireo isika.
4. Ny FJKM dia miombom-po amam-panahy amin’ny ankohonan’ny Profesora Zafy Albert, Filoham-pirenena teo aloha izay nodimandry tamin’izao volana Oktobra izao, amin’ny maha olomangan’ny Kolejy Paul Minault azy.
5. Mankasitraka ny mpianakavin’ny finoana FJKM tamin’ny fanatanterahana ny fihaonambe rehetra nataon’ny isan-tsampana. Nampahery sy nampahomby ny fifaneraserana sy ny fifandraisana izany, na dia teo aza ny voina nihatra tamin’ny lozam-piarakodia nahazo ny zanaky ny SP Mandridrano Mpiambina , Soavinandriana Itasy, sy ireo toe-javatra vitsivitsy nanahirana. Dingana lehibe no nataontsika Fiangonana teto amin’ny Firenena satria efa fanehoana ny maha-vavolombelon’ny Tompo Jesoa izany. Nosokafana tany Antseranana tanatin’ireny vanim-potoanan’ny Fihaonambe ireny ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 50 taonan’ny FJKM sy ny faha 200 taona nahatongavan’ny LMS teto Madagasikara.
6. Raisintsika FJKM ho zava-dehibe eo amin’ny maha fiangonana Protestanta, zanaky ny Reformasiona (FLM, FJKM) ny mankalaza ny faha- 500 taonan’izany vanim-potoana manokana eo amin’ny Fiangonana izany. Natao teto Antananarivo (Ankadikely Avaradrano) ny 3 – 8 Oktobra 2017 ny fivoriambe fahafolo an’ny FFPM, ary hirosoana hatrany ny fanatanterahana izay kendren’ny teny Faneva hoe : « Mazoto mitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’ny Fehim-pihavanana» (Efes.4/3)
7. Misaotra ny Tompo Jesoa isika fa mandroso hatrany ny fanatanterahantsika ny VINAN’NY FJKM amin’ny fampiharana ny « Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara », ka anaovana ho anton-draharaha ny fananganana vondron’olona mpiara-mivavaka ary hanjary ho fiangonana any amin’ireo kaominina mbola tsy misy FJKM. Natao tao anatin’izao fotoam-pivoriana izao ny fanirahana ireo mpirotsaka an-tsehatra izay vita fiofanana tao amin’ny IVON-TOERANA FANOFANANA MISIONERA, izay miisa 902 mianadahy antsoina hoe : andiany SANTATRA
8. Nankatoavina tamin’ity fivoriana ity ny Tonian’ny SAMPATI sy ireo Talem-paritra FPMP. Voatendry koa ireo Prezida Synodaly vaovao.
9. Entanina ary antsoina isika fiangonana FJKM hiroso amin’ny fiaraha-miasa amin’ny CWM momba ilay Tetikasa JACOB PROJECT, izay fiahiana manokana ireo sembana eto amin’ny firenena sy ao amin’ny fiangonana.
10. Ambara eto fa efa misokatra ny TPM any Ambatondrazaka, sy ny ONIVERSITY RAVELOJAONA izay misy ireo sampam-pahalalana samihafa.
11. Ankasitrahana manokana ny fivoatran’ny fandrotsahana ny Adidy iombonana ataon’ny Synodamparitany, sy ireo Fiangonana Mpanampy izay ahitana taha isanjato ambony dia ambony tokoa.
Nanapa-kevitra ny Mpiandraikitra Foibe fa hakarina ny fivelomana fototra (an’ny Mpiasam-piangonana). Noho izany dia hisy ny fisondrotan’ny Adidy Iombonana. Sady fiahiana ny mpiasam-piangonana izany no ho fanohanana ny Asa iombonana ato amin’ny FJKM.
12. Manaitra ny tompon’andraikitra (eo amin’ny fiaraha-monina sy ny fanjakana) rehetra noho ny firongatry ny adin-tany sy fibosesehan’ireo vahiny mamaritra tany eto amin’ny firenena ka miteraka fisaraham-bazana sy horohoro ary tsy fandriampahalemana.
13. Tena ankasitrahana manokana ary ampaherezina hatrany ireo Sekoly FJKM (Tale, Mpampianatra , Mpianatra ary Raiamandreny) fa tena nahafatra-po ny ezaka lehibe nataon’izy ireo ka nahazoana ny voka-panadinana ara-panjakana (CEPE, BEPC, BACC). Ampahatsiahivina isika Fitandremana sy Synodamparitany mba samy hanao ho zava-dehibe izay rehetra momba ny Sekoly FJKM.
14. Nolaniana sy nekena tamin’izao fivoriana izao ny Tetibolan’ny FJKM ho an’ny taona 2018. Efa miroso hatrany mampihatra ny Tetibolam-pandaharana (Budget Programme) isika FJKM ankehitriny, na dia mbola ampahany aza no efa ampiharina.

Mirary soa antsika rehetra, ry havana, ary mirary Krismasy feno fifaliana sy Taombaovao feno fitahiana ho anareo ao amin’i Kristy.

« Ny fahasoavana anie ho an’izay rehetra tia an’i Jesoa Kristy Tompontsika amin’ny fitiavana tsy mety levona » (Efes.6/24)

Antananarivo faha 25 Oktobra 2017

Ny Filohan’ny Mpiandraikitra Foibe

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV