Fiaretan’ireo Misionera LMS .

TSY MORA NY FITORIANA NY FILAZANTSARA FAHA LMS

Misaotra an’Andriamanitra isika FJKM ankehitriny, noho ny faha 50 taona nitondrana ny anarana FJKM, ary miara-dàlana amin’izany koa ny faha 200 taona nidiran’ny LMS izay nitory ny Filazantsara teto amintsika. Tsara ihany ny mahafantatra izay zavatra tsy maintsy niaretan’ny Misionera LMS izay tonga teto amintsika.

1.NAMOY VADY AMAN-JANAKA

Raha tonga teto Madagasikara ireo tokantrano roa an’ny Misionera David Jones 3 mianaka, sy Thomas Bevan 3 mianaka, dia maty avokoa izy rehetra hafa tsy David Jones irery sisa. Tazo no voalaza amim-pomba ofisialy fa nahafaty ireo olona 5 mianaka ireo.Misy anefa mpikaroka sahy nilaza fa, toa nisy namosavy izy ireo.

 2.NOKIVIAN’NY GOVERNORA MAORISIANA

Ny Governora mpisolo toerana Jeneraly Hall, dia tena nanakivy mihitsy ny handehanan’ireto Misionera mbola tanora ireto hankaty Madagasikara. Notsoriny mihitsy fa, ny mitory amin’ny alika no tsara noho ny mitory amin’ny Malagasy. Soa fa tsy nahakivy mihitsy ireto Misionera ireto izany fanakiviana izany. Antony politika, noho ny tsy nandoavan’ny Fanjakana britanika izay nisoloany tena, no tena antony tsy nampaharisika azy handefa ny Misionera.

3.NOTOHERIN’NY MPIJIRIKA OLONA

Ireo olom-panjakana mpijirika, izany hoe, mpivarotra olona ho andevo izay haondrana any ivelany, dia tsy naman’ny Misionera mihitsy. Nisy tokoa ny Fifanarahana nataon’ny Fanjakana britanika tao Maorisy sy ny Fanjakana Malagasy, mba hanafoana ny fivarotana olona eto. Ny Governora mpisolo toerana tao Maorisy anefa, dia tsy nanome ny vola tokony ho an’ny Fanjakana Malagasy, izay hasolo ny volam-panjakana nampidirin’ny fivarotana andevo.

Ny fahatongavan’ny Misionera dia noraisin’ny mpitondra fanjakana nahazo vahana tamin’ny fivarotana andevo fa, fahavoazana ho azy. Ho very ny tombontsoany, ka nanao izay fomba rehetra tsy hahatamana azy ireo ireto olom-panjakana sasany ireto. Tsy mba nahataitra velively ireto olona ireto ny fahaverezan’ny olona tokony hamokatra taty Afovoantany, izay 1/3 no efa naondrana ho andevo mankany ivelany. Fa ny fahaverezan’ny tombontsoany ny lehibe taminy.

4.NOROBAIN’NY NAMANA

Rehefa narary mafy ny Misionera David Jones, dia ilay vazaha izay niseho nikarakara azy hatrany am-pahatongavany, no nahavita nandroba ny volany. Fomba iray nokendreny hampitombo ny tombontsoa tiany ho azo avy tamin’io Misionera io, toy ny hofantrano sy ny sakafo nikarakarany azy, ary ny fitsaboana ireo vady aman-janany izay narary.Nakany vola be dia be ihany koa ny fandevenana ireo fianakavian’ny Misionera izay maty ireo.

5.LAINGA NAFAFY

Raha naniraka olona nankany Toamasina ny mpanjaka Radama I, mba hitaona ny Misionera David Jones hiakatra any Antananarivo, dia nomena valinteny na ninia nandainga ireo iraka ireo. Tonga tany amin’ny mpanjaka ny vaovao fa efa maty avokoa ireo Misionera. Tankina ny mpanjaka, raha nandre izany, ary voalaza ho kivy mihitsy.

Soa fa lainga niniana nafafy anefa izany, noho ny tombontsoan’ny olona mpitondra sasany natahorany ho very rehefa tafakatra ny Misionera. Santiona ireo ilazana fa, asan’ny Tompo no nandehanan’ireto Misionera ireto, ka namoizany hatramin’ny ainy sy ny an’ny vady aman-janany. Teo koa ny fanakiviana sy ny famafazana lainga, ny fandrobana ny fananany, izay tokony hiteraka vokatra mampihemotra tokoa. Nefa tsy izany fa dia izao hitantsika 200 taona aty aoriana izao, ny vokatsoa niaretan’ireo Misionera ireo.         ( A.Zaka. Mpit )

 

Thomas Bevan sy David Jones

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV