SP 13 / FJKM Miantsoarivo Fanantenana

SP Arivonimamo Vaovao

MIROTSAKA AMIN’NY ASA HO FAMPANDROSOANA

NY FIARAHAMONINA

Iraka omen’ny Tompo ny Fiangonana ny hanao izay nataony: “izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa, ary hanao asa lehibe noho izany aza izy” Jaona 14:12 . Mandrakariva dia ny ara-panahy ihany no heverin’ny Kristiana fa andraikiny eo amin’ny fiaraha-monina, fa ny ankoatra izay dia anjaran’ny hafa : fitondram-panjakana, na rafitra hafa. Mila fanohanana ny fiaraha-monina, mila mpitari-dàlana ny vahoaka sahirana, mila namana mahatoky ireo reraka amin’ny fihariana sy ny fiainana andavanandro, mila fitaratra azo alain-tahaka ihany koa izy ireny.

Irahin’ny Tompo hirotsaka bebe kokoa ny Fiangonana FJKM amin’izany. Efa maro ireo Synodamparitany sy Fitandremana mirotsaka amin’ity asa ho fampandrosoana ny fiaraha-monina ity na antsoina amin’ny teny mahazatra hoe “Fiangonana mirotsaka, anisan’izany ny FJKM Miantsoarivo Fanantenana, Synodamparitany Arivonimamo.  Araka ny resadresaka nifanaovana tamin’ny Mpitandrina sy ireo Tompon’andraikitra tao an-toerana dia tsapa fa mihazakazaka mankany an-drenivohitra ny mponina mitady izay hivelomany, satria mihevitra fa tsy mahavelona ny zava-misy ao an-tanànany. Resy lahatra araka izany ny Fiangonana fa tsy tokony hipetrapetraka satria iankinan’ny fiainan’ny fiaraha-monina, ary fanantenan’ny fiaraha-monina rahateo araka ny anarana entiny.

Koa manao ezaka izy ireo hampandroso ny ao anatiny, izany hoe hanao izay hampivoatra ny mpino Kristiana, ary hanatsara ny fiainan’ny mpiara-belona aminy ho fijoroana vavolombelon’i Jesoa Kristy. Tanjona apetrak’izy ireo ny ho Fiangonana matanjaka amin’ny finoana, manana olona mijoro sy mandroso, ary matanjaka ara-toekarena. Ka iantefan’ny asa voalohany indrindra ny Kristiana, ary hanokatra ny varavarana ho amin’ny mpiara-belona manoloana ny tranga misy sy ny toe-javatra iainan’ny Malagasy ankehitriny, satria ny Fiangonana rahateo dia ao anatin’ny fiaraha-monina ary olon’ny fiaraha-monina tanteraka.

Asa hirosoan’izy ireo ety am-piandohana ny fiompiana akoho sy fambolen-kazo. Ka ho enti-miatrika izany dia hisy ny fananganana komity amin’ireo sehatra asa kasaina hotanterahina. Atao ho zava-dehibe ihany koa ny famatsiana fahalalana sy fanamafisana fahaiza-manaon’ireo Komity amin’ny alalan’ny fiofanana, ary izy ireo no hanajary hampita ny fahalalana sy hitondra ny tohana ho an’ny Kristiana sy ny fiaraha-monina manontolo. Niroso ho amin’ny fanofanana ireo Tompon’andraikitra, izay nitondran’ny solontenan’ny SAF/FJKM ny tohana teknika ho an’ireo Komity, nahitana ny Mpitandrina, Katekista, Biraom-piangonana, biraon’ny sampana.

Nohalalinina nandritra izany ny momba ny Fiangonana mirotsaka, ny iraka feno sy tanteraka.Baikon’i Jesoa Kristy ny firotsahan’ny Fiangonana amin’ny asa fampandrosoana ka andraikitra tsy azo ihodivirana izany.

Hoy ny Soratra Masina : « …Hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao…ary ho fitahiana tokoa ianao…ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany. »Gen. 12/1-3. Sitrapon’Andriamanitra ny hiainan’ny Malagasy ao anaty fiaraha-monina mirindra sy milamina, mandroso amin’ny lafim-piainana rehetra mba ho tonga ho amin’ny fahatanterahana.

Fifandraisana SAF/FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV