SAF / Mpilatsaka an-tsitrapo

Fahaiza-mitantana

MPILATSAKA ANTSITRAPO FJKM,

MIATRIKA NY LOZA VOAJANAHARY

Toerana andalovan’ny loza voajanahary isan-taona i Madagasikara, indrindra ny rivodoza. Teo aloha, dia tsy mba nisy ny fiomanana hiatrehana izany zavatra efa fa ho avy izany.

Hoy ny fanazavana nataon’ny Talen’ny SAF FJKM, Atoa Rahajary rehefananazava izany izy. Raha lany 100 ar isika hanarenana ny takaitra navelan’ny loza voajanahary, dia mihena izany rehefa tsara fiomanana. Manokana 40 Ar isika ho fiomanana, dia 40 Ar ny fanarenana izay takaitra navelany. Misy ambim-bola 20 Ar izany hahafahana manao zavatra hafa.

PROTESTANTA ERAN-TANYNy Firaisamben’ny Protestanta eran-tany, antsoina hoe Act Alliance, izay mifantoka manokana amin’ny fiahiana ny maha olona, dia ahitana koa ny FJKM mpikambana mpanorina izany. Ny ICCO any Hollande, ny PCUSA sy ny UMCOR any Etazonia, ny World Renew any Canada, ny Diakoniekatastrophenhifle any Alemaiña, dia samy mpikambana mavitrika ao avokoa. Nandalo nitsidika sy nijery ny zavamisy ny Diakonia avy any Alemaiña tamin’ity volana Oktobra ity.Ny 14-16 Febroary 2014 lasa teo, no natao teny Isoavina Ambanitsena, teo ambany fiahian’ny BMF sy ny Sekretera Jeneraly, nahitana ny Sampana rehetra ao amin’ny FJKM, ny fanofanana ny “Volontera na Mpilatsaka antsitrapo FJKM”. Tsy rantsana na sampana vaovao ao anatin’ny FJKM akory ny Volontera, fa ny mpikambana rehetra any anaty Sampana no miasa antsitrapo ao.TANJONA

Ny fiaraha-monina no itodihan’ny Fiangonana eto, ary iraka mivoaka ny Fiangonana na“mission centrifuge” izany. Mila olona hanoro sy hampianatra azy ny mpiara-belona ianjadian’ny loza voajanahary, ka ny Fiangonana no manana olona tsara hofana hanao izany. Hiatrika ny rivodoza, ny haintany, ny tondradrano, sns, ny mpiara-belona, aryafaka miomana tsara mba hanalefahana na hanafoanana mihitsy ny voka-dratsin’izany.Tsy misy olona na iray aza, ka tsy hahatsiaro tolo-tanana rehefa mitranga ireny voina voajanahary ireny, fa samy mitady vonjy etsy sy eroa avokoa ny rehetra tratran’izany. Ny fiovaovan’ny toetrandro rahateo, dia manampy trotraka sady fototra iray lehibe miterakaazy.

TSY MIASA IRERY

Tsy vitan’ny Fiangonana sy ny Volontera hofaniny izany fiatrehana ny loza voajanahary izany, fa eo indrindra ny fiarahany amin’ny BNGRC, Rantsana an’ny Fanjakana izay miadidy manokana ny fitantanana izany loza voajanahary izany. Fahavalo iombonana ny loza voajanahary, ka iombonana koa ny fiatrehana sy fandresena azy. Izay tetikady rehetra rafetin’ny FJKM ihany koa, dia mirindra tsara ao amin’ny Paikadim-pirenena momba izany fitantanana ny loza voajanahary izany. Ny firaisankina tokoa no hery, hoy ny fahendrena Malagasy, ary “ny mahazaka telo olana dia tsy moratapahina” (Mpitt 4:12).

SYNODAMPARITANY

Manetsika ny SP rehetra ao aminy koa ny FJKM, amin’ny fanomezana fiofanana ho an’ny Volontera na Mpilatsaka antsitrapo. Ny SP any Atsinanana dia nisy 174 no voahofana (Antetezampasika sy Ambavarano), 240 ny Volontera voahofana tao amin’ny SP any amin’i Boeny (Andranofasika, Boeny, Ankijabe), 143 ny tao amin’ny SP any Atsimo Atsinanana (Manakara, Vaingandrano), 243 ny tao amin’ny SP any Menabe(Morondava, Mahabo, Miandrivazo), ary 485 kosa ny tao amin’ny SP misyan’Analamanga (Ambodimita, Ambohitsoa, Belanitra, Isoavimasoandro).Tsy revo amin’ny iraka anatiny (mission centripète) fotsiny ary ny FJKM, fa tena mirotsaka manampy ny mpiara-belona, toy izay notenenin’ny Tompo hoe, tany am-ponja,narary, noana,…tratry ny loza voajanahary.

A.Zaka, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV