Perikopa Oktobra 2017.

Mahery vavaka ny vavolombelona marina.

 

Araka ny lohahevitra hoe : Mahery vavaka ny vavolombelona marina, dia manome anjara manokana ny anjara toeran’ny vavaka izany. Koa amin’ireto perikopa, Alahady roa farany amin’ny volana ireto, dia nyhitsimpona izay rehetra azo amaritana ny antsoina hoe : vavaka, no atao.

2 Mpanjaka 4, 32- 37: Ny vavaka dia ilay resaka atao amin’Andriamanitra, araka ny voasoratra hoe : « Ary Elisa nivavaka tamin’i Jehovah. ». Azo ambara ho voalohan-draharaha eo amin’izay atao ny vavaka, satria raha nanangana ilay zazalahy izy ka niampatra teo amboniny dia ny vavaka no nataony nialoha izany.

2 Tantara 7, 11- 18: Ny vavaka dia ilay fangatahana asandratra amin’Andriamanitra mahare sy mamaly izany amin’ny fotoany. Ny mpandinika ny Soratra Masina mantsy dia mihevitra fa izao valim-bavaka raisin’i Solomona izao dia vavaka efa nataony tany alohan’ny fananganana ny tempoly, aty aorian’ny fahavitany vao raisiny na omen’Andriamanitra azy ny valiny. Ny vavaka dia ilay tsy afa-misarakaamin’ny fanetren-tena sy ny fikatsahana mandrakariva an’Andriamanitra ary ny fialana amin’ny ratsy fanao.Ny vavaka no andraisan’ny olona famelan-keloka avy amin’Andriamanitra ho azy sy ho an’ny hafa. Koa raha mivavaka ny Fiangonana dia mandray tombon-tsoa avy amin’izany mivantana ny fiarahamonina misy azy.

Marka 11, 20- 24: Teny tononina eo anatrehan’Andriamanitra ny vavaka mba ho fangatahana vokatry ny finoana fa handray valiny avy Aminy izay angatahana. Ataon’ny olona tsy mino ahoana tokoa moa ny ho fangataka amin’izay tsy inoany fa hamaly azy?

Lioka 11, 5- 13: Ny vavaka dia fangatahana amin’Andriamanitra, sakaiza mahatoky, amin’ny fotoana rehetra (eny na amin’ny mamatonalina aza).Ny vavaka dia fitarainana ataon’ny olona izay mahatsiaro ny maha tsy tanteraka azy ka mila vonjy amin’Ilay ivavahany. Amin’izany, raha mivavaka ny Fiangonana dia hahatsiaro mandrakariva ny maha tsinontsinona azy izy (and. 8 : « tsi-fitandroana henatra ») Ny vavaka dia fangatahan-java- tsoa amin’Andriamanitra izay manana ny fahatanterahana miohatra noho izay ananan’ny olombelona.

Kolosiana 1, 9- 14: Ny vavaka dia asa tsy manam-pahataperana ataon’ny mino ho an’ny hafa. Ny vavaka dia mikendry mandrakariva ny ho fahatanterahan’ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fahendrena ary ny fahazavan-tsaina avy amin’ny Fanahy Masina. Koa amin’izany, ny mpivavaka dia isehoan’ireo vokatry ny fandraisany ny sitrapo sy ny fahendrena ary ny fahazavan-tsaina noraisiny ho valim-bavaka ka tonga isehoan’ny voninahitr’Andriamanitra eo amin’izay misy azy izy ireo.

2 Tesaloniana 3, 1- 5: Ny vavaka dia asa fiombonan’ny Fiangonana mba handraisan’ny hafa ny tenin’ny Tompo (ny famonjen’i Jesoa Kristy) ka hankalazany Azy. Asa tsy maintsy atao ny vavaka amin’izany, satria ny fampianaran-diso samihafa no fahavalon’ny tsy ho fahatanterahany eo amin’ny olona.

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

RAKOTOZANANY Andrianirinomena Jules, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV