tantara kely

“Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, 

Fa aza miankina amin’ ny fahalalanao.”

(Ohabolana 3, 5)

Hain’ity tovolahy miaramila tsara ilay tenin’ny Soratra Masina hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’ny fahalalanao.” (Ohabolana 3, 5) Rehefa nieritreritra ity teny ity izydia hoy ny fisainany: tsy ilaina intsony izany ny mianatra sy mandranto fahalalana satria ampy hahavitana ny zavatra rehetra ny fahatokiana an’Andriamanitra araka ny voasoratra hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’ny fahalalanao.”(Ohabolana 3, 5).Nanomboka teo dia tsy nety nanatrika fampianarana intsony izy. Gaga ny lehibeny ka nanontany azy hoe:Nahoana ianao no tsy mety mianatra, ry sakaiza? Tsy nisalasala akory izy nanambara hoe: satria izao no voalazan’ny Soratra Masina: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’nyfahalalanao.” (Ohabolana 3, 5)

Tsy namaly azy ilay lehibeny. Indray andro, nentiny niaraka taminy ity miaramila mpankamamy ny Soratra Masina ity. Nony tonga teo ambony tetezana izy mirahalahy dia nivoaka ny fiara. Nanontany azy ilay lehibeny hoe: moa matoky an’i Jevovah marina ve ianao? Eny hoy izy, satria efa nampianarina hatoky Azyny foko araka ilay teniny hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’ny fahalalanao.” (Ohabolana 3, 5) Vao tapitra ny teniny dia natosik’ilay lehibeny tao anaty rano izy. Loza anefa, tsy mahay milomano akory ity miaramila ity. Novonjen’ilay lehibeny izy no sady nitenenany hoe: mianara milomano dia mazotoa mitady fahalalana.

Nanomboka teo dia niova indray ny sain’ity miaramila, fa ny fahalalana ihany no azo itokiana. Indray andro,tonga tao amin’ny toerana fitsaboana adala izy sy ilay lehibeny. Nanontany azy indray ny lehibeny hoe: araka ny fahalalanao sy ny fianarana norantovinao, moa tsy afaka hamono antsika ireo adala ireo raha hanatitra sakafo ho azy isika? Aoka sefo, raha ny fianarana nataoko dia tsy misy fanafana intsony ireo ary masiaka no sady mamono? Ka inona ary no hatao satria ho faty mosary ange izy ireo raha tsy homentsika sakafo, hoy ilay lehibeny taminy. Tsy tsaroana angaha ilay voasoratra hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’ny fahalalanao.” (Ohabolana 3, 5) .Tsaroako iny, saingy tsy marina satria tsy azo itokiana Izy noho ny tsy fahaizako milomano. Notaomin’ity sefony hivavaka hangataka fitahiana amin’Andriamanitra izy dia niroso nanatona ireo adala ka nikarakara azy ireo. Gaga izy satria izay vao fantany fa Kristiana ity lehibeny. Ilaina ny mandranto fahalalana, hoy ity lehibeny, fa lehibe lavitra noho izany ny fahatokiana an’Andriamanitra satria mahay ny tsy hain’ny olombelona Izy, ka na ny olon-doza azy mifitsaka eo anatrehany. Tsy azon’ny fahalalana hazavaina io. Izany no maha marina ny voasoratra hoe:“Matokia an’ i Jehovah amin’ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’ny fahalalanao.” (Ohabolana 3, 5) .Koa raha izany no izy, hoy ity miaramila, dia tsara indrindra raha ho manam-pahalalana ny olona no matahotra an’Andriamanitra. Amin’izay dia tsy ho azon’iza hotsatsoina intsony ny voasoratra hoe:

“Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’ny fahalalanao.” (Ohabolana 3, 5)

Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra

Ra Jules

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV