SAFIF / Tatitra Fihaonambe 2017 .

FIHAONAMBE 2017 

Ambatolampy 29 – 31 Aogositra 2017

Rehefa nahavita ny fihaonambeny ny ankabeazan’ireo Sampana velona eo anivon’ny sahan’ny FJKM, dia nanao ny fihaonamben’ny seha-pitaizany ihany koa ny SAFIF (SAmpana FIFohazana) araka ny daty sy ny toerana efa voalaza ery ambony. Tsara ny milaza fa voalohany teo amin’ny tantara izao fihaonambe seha-pitaizana izao ary tao amin’ny kianja malalaka monisipaly Ambatolampy no natao izany.Famelaberalan-kevitra telo samy hafa no notanterahina tamin’izany dia ireto avy :

1. Ny Fifohazana sy ny teknolojia ka ny tenin’Andriamanitra nisarihana ny sain’ny mpihaino dia nalaina tao amin’ny (1 Tesaloniana 5:21) manao hoe: « Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara.  »
2. Mahazo manao sipa ve ny zanaky ny fifohazana?
3. Ny hira

Mialoha ny nandraisana ireo lohahevitra telo voalaza eo ambony ireo anefa,dia nohazavain’ireo mpikarakaran’ny fihaonambe SAFIF, ny toe-piainan’izany olona lazaina fa “MIFOHA” izany, ka ny Soratra Masina ao amin’ny (Lioka 10:38-43) no nakana lesona hanehoana izany.

Toy izao ny famintinana ireo lohahevitra nodinihina:
1. Ny Fifohazana sy ny teknolojia. « Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara. » (1 Tesaloniana 5:21). Katsahin’ny olona ny teknolojia satria manamora ny fiainany. Paoly Apostoly eto dia mampianatra fa : « … Aoka ny zavatra rehetra hatao ho fampandrosoana. » (1 Korintiana 14:26b). izany hoe efa hiainan’olombelona ankehitriny ny teknolojia avo lenta ary ny fitaovana ampiasain’olombelona koa dia efa miova isanandro amin’ny hatsarany sy ny fahaiza-manaony izay tena mampitolagaga ny mpanjifa (finday sy ny solosaina, sns). Navoitran’ny mpampiofana fa mila mitandrina ny mpino satria mety hanimba ny fahasalamana raha tsy mitandrina (fiankinan-doha (Dépendance) izay hiteraka rarin-tsaina vokatry ny tebiteby sy fahaterena (Stress)). Eo ihany koa ireo akon’ny taratry ny hazavana (rayon lumineux et ondes électromagnetiques, etc) ateraky ny fampiasana ireny fitaovana avo lenta ireny eny amin’ny vatan’olombelona ka mety hiteraka aretina, ary tsy hadino ny fisolokiana avo lenta ataon’olon-dratsy amin’ny fampiasana ireny fitaovana raitra hika farany ireny ka mila tandremana avokoa.

2. Mahazo manao sipa ve ny zanaky ny fifohazana?

Araka ny fanazavana nomen’ny mpampiofana dia tsy vady ny sipa. Olon-droa (lahy sy vavy) ampy taona, mahatsapa fa matotra sy tomponandraikitra (manaja tena sy manaja ny hafa) ary mahafehy tena, sady afaka handray adidy amin’ny ankohonana sy ny mpiara-belona, sady manana vina mazava eo amin’ny fiainany : ireo no afaka mitia (Manao sipa). Izany hoe, olon-droa vonona hiroso amin’ny fanambadiana tena izy, satria ny fanambadiana no tanjon’ny mpifankatia. Tsy kilalao na andrakandrana ny fiainam-pitiavana fa natao hifamenoan’olon-droa sy hifanampiany eo amin’ny fiainana. Ny fanaovana sipa amin’izay fotoana izay dia fotoana fifampitaizana eo amin’ilay olon-tiana izay anolorana ny fitiavana mialohan’ny hirosoana amin’ny fanambadiana. Ny kristiana dia manamasina ny fanambadiany any am-piangonana ho voninahitr’Andriamanitra Fitiavana. Ny firaisana ara-nofo dia natao ho an’ny olona mpivady irery ihany (Ny mpisipa manao firaisana ara-nofo dia mpijangajanga).

3. Ny hira

Voalazan’ny mpampiofana fa zava-dehibe ny hira ho fiderana an’Andriamanitra ary koa ho fitaizana ny mpiara-belona. Noho izany dia sehatra iray ilaina fahamatorana sy fahamendrehana ny fampiasana hira sy ny fifehezana azy, ho lasa kanto entina hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra irery ihany. Mampiasa hira avokoa ny olona eo amin’ny fiainany (fanompoam-pivavahana,fialam-boly, fety aman-danonana, sns). Noho izany , manana ny lanjany sy ny toerany lehibe eo amin’ny fiainan’olombelona ny hira. Miainga avy ao am-po ny fihirana ka noho izany ny olona izay voavolavolan’ny Soratra Masina dia tsy manao hiran’izao tontolo izao. Efa nolaniana tamin’ny zaikabe SAFIF fa noraisina ho seha-pitaizana ao amin’ny Sampana fifohazana ny Antokom-pihira. Mampisy endriny ho an’ny mpihira ny fanamiana anaovany ka tsy azo atao ambanin-javatra, indrindra ho an’ny kristiana mba ho fihaingoana Masina izany (2 Tantara 20:21) satria Masina isika mpihira.

Marihina fa tao amin’ny fihaonambe seha-pitaizana dia nisy ny asa fampaherezana ho an’ny rehetra, nisy ihany koa ny maraim-baovao isaky ny toerana nilasian’ny mpizaika, nisy ny takariva mahafinaritra ny Alarobia ary nandehanan’ireo Antokom-pihira vahiny tonga tao Ambatolampy, namangy sy nitory an-kira, tamin’ireo fiangonana fito (7) tao an-tanàna ka nanehoan’ireo antokom-pihira fifohazana isam-pitandremana ny traikefany. Teny an’elanelan’ny fampianarana rehetra, dia nandray anjara navitrika hatrany, ireo tarika andrarezin’ny hira ara-pilazantsara isam-pitandremana. Nisy ihany koa ny filaharamben’ny Sampana fifohazana tao amin’ny kianja monisipaly. Maro ireo tonga namonjy ny fihaonamben’ny seha-pitaizana voalohany notanterahana tao Ambatolampy satria nahitana olona 12 000 isa.

Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra .

MAMY NIRINA

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV