Mpitendry zavamaneno / Fihaonambe 2017 .

Fihaonamben’ny Mpitendry sy 
Mpikirakira zava-maneno.

fihaonamben'ny mpitendryTanteraka soa aman-tsara ny fihaonamben’ny Mpitendry sy mpikirakira zava-maneno tamin’ny 13 ka hatramin’ny faha 15 Septambra 2017 lasa teo. Mpikirakira sy mpitendry zava-maneno an’arivony, avy tamin’ireo Synodamparitany rehetra teto amin’ny sahan’ny FJKM no nanatrika izany, tao amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana.

Ny Talata 12 septambra 2017 no nanomboka ny fiomankomanana rehetra, ka ny tolakandron’io andro io dia nomena fanomanana manokana ireo solontenan’ny Synodamparitany izay notsongaina ho mpanofana. Efa mpitendry mahay, manaraka Solfa sy Solfezy avokoa izy ireo. Nosokafana tamin’ny fanompoam-pivavahana ity fihaonambe faharoa ity izay ny Birao foibe no nitarika izany ka ny Filohan’ny FJKM no nanokatra izany no sady nandray ny fampianarana voalohany momba ity lohahevitra ity :  » Ny fanahy maha Mpitendry. »Nentiny namaly izany lohahevitra izany ny famahavahana ireto fanontaniana roa ireto : Andaniny, Inona avy no fihetsika tokony hiraisan’ny Mpitendry rehefa manaraka Litorjia ? Ary ankilany, Inona no fitaovana tsy maintsy ananan’ny Mpitendry hahazoany manatanteraka ny fanompoany ? Nandritry ny telo andro no nanarahan’ireo mpizaika ny fampianarana narahina fampiharana. Ireto avy ireo lohahevitra sy ny nanatanteraka izany:- Fitendrena ny hira ao anaty tiona mba ho marina, nentin’Atoa  RAKOTOMANANA Luc Emmanuel- Ny solfa, fototra hahazoana mitendry hiram-piangonana araka ny tiona, notanterahin’Atoa RAKOTOARIVONY Soloarivelo Toavindaza, Mpitandrina- Fitendrena ireo hira anaty tiona mba ho marina sy mitovy, notanterahin’Atoa RANDRIANASOLO Raveloson- Ny fanamafisam-peo mandritry ny fanompoam-pivavahana, notanterahin’Atoa RAMAROSON Seta

Tsaroana ho nahazo ny anjarany avy tamin’izao fihaonambe izao na ireo kalazan’ny fitendrena sy fikarakarana zava-maneno na ireo vao miroso mandray andraikitra, eny, na dia tsy mahay mamaky solfa akory aza. Azo ambara fa fahombiazan’ity andiany faharoa ity ny nahazoan’ireo mpitendry nizara ny fiainany sy ny fahaiza-manaony ho an’ny hafa nandritry ny fampianarana tsirairay sy ny fandraisan’anjara tamin’ny rodomben-java- maneno nandritry ny fanompoam-pivavahana rehetra.

Tamin’izao fihaonambe izao no nivoaka ireto fitaovana azon’ny fiangonana ampiasaina ireto : ny boky mirakitra ny Mozika litorjia andiany faharoa sy ilay kapila mangirana mirakitra ny soflezy rehetra ao anaty tiona sy ny mozika miaraka aminy amin’ny alalan’ny feon’orgue notendren’ilay kalaza lahy antsoina hoe : Clyde Mclennan.

Ankasitrahana ity Mpanompon’Andriamanitra ity izay nanome izany fitaovana novokariny izany ho azon’ny Fiangonana.Mirary ny fahombiazan’ny fandrosoan’ny Fiangonana noho ny ho fivoaran’ny hatsaran’ny zavamanenorehetra ampiasan’ny Fiangonana. Ho an’Andriamanitra anie ny voninahitra.

Ny Komity

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV