AFIFAB / Andiany « Santatra Fahazavana »

Mpiofana miisa 92 mianadahy no navoaka tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana ny Alahady 17 Septambra tolakandro lasa teo. Izy ireo dia niofana momba ny serasera sy fifandraisana tao anatin’ny efa-bolana isaky ny sabotsy maraina sy alarobia tolakandro teny amin’ny IEP Ampandrana sy tao amin’ny efitra malalaka ny Foibe FJKM Trano Ifanomezantsoa Analakely .

Maimaimpoana ny fiofanana nomena azy ary izay niompana tamin’ny tontolon’ny serasera sy fifandraisana ary ao anatin’izay ny mampiavaka ny mpisehatra amin’ny haino aman-jery kristiana, ny teknika amin’ny fakana sary na ho amin’ny gazety an-tsoratra na amin’ny fahitalavitra,ny fiseraserana amin’ny internet sy facebook, ny filonana amin’ny firesahana teny Anglisy izay niarahana tamin’ireo tanora avy any ivelany (Afrika atsimo,…).

Nisy ihany koa ny fitsidihana ny fahitalavitra RTA sy ny onjam-peo Radio Fahazavana. Avy amin’ny RTA, ny Scoop Digital, ary avy amin’ny AFIFAB ireo mpampiofana izay samy nizara am-pitiavana tokoa ny fahaizany sy ny fahaiza-manaony avy.

Tonga maro nanotrona azy ireo ny mpianakavin’ny finoana sy indrindra ny fianakaviany. Ankoatra ireo Tomponandraikitra samihafa an’ny fiangonana, toy ny komity mpikarakara, dia hita tonga nanotrona teny ihany koa tamin’io andro namoahana azy ireo io ny solotenam-panjakana mbamin’ireo mpanohana samihafa. Nanafana ny fotoana ihany koa ireo antoko mpihira marobe izay nahafinaritra tokoa ny nihaino ny hira nasandratr’izy ireo tsirairay avy. Ireto andiany “SANTATRA FAHAZAVANA” ireto, dia miara-miasa amin’ny AFIFAB sy ny Fitandremana ary ny Synodamparitany misy azy ireo tsairairay avy.

Tsara ny manamarika, fa ny andron’ny 17 Septambra no feno 20 taona katroka ny Radio Fahazavana (17 Septambra 1997 – 17 Septambra 2017). Natokana ho ivon’ny fankalazana io tsingerin-taona io ihany koa iny andro iny, ary dia lanonana roa sosona araka izany no natrehin’ny rehetra tonga nanatrika teny an-toerana.

Tsiahivina, fa ny tsangambato amin’izao faha-20 taonan’ny Radio Fahazavana izao, dia fahitalavitra. Efa miroso ny ezaka amin’izany amin’izao fotoana izao, toy ny ezaka “pylône” izay apetraka eny Ambohibe Ilafy. Efa nanome ny ampahany amin’ny fitaovana momba izany ny groupe RTA.

Nisy ihany koa ireo mpianakavin’ny finoana maro nanolotra zavatra samihafa toy ny vola izany. Mbola mitohy ny ezaka ary entanina amin’izany ny vahoaka kristiana rehetra.

Aris

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV