SAFIF/ Ady amin’ny fahalovana sy kolikoly.

Ireo tondrozotra 10 enti-miatrika
ny ady amin’ny kolikoly sy ny fahalovana

 

Fiofanana FOFIFI notarihin’ny Filohan’ny FJKM Ammi Andriamahazosoa Mpitandrina.

Nanofana ny Sampana fifohazana nadritry ny FOFIFI ny 8 Aprily 2017 lasa teo ny filohan’ny FJKM Ammi Irako Andriamahazosoa.” Fifohazana miatrika ny kolikoly sy ny fahalovana” no lohahevitra tamin’izany.

Ireo tondrozotra 10 enti-miatrika ny ady amin’ny kolikoly sy ny fahalovana

1-Raiso marina i Jesoa Kristy. Ady poakaty no atao raha rafitra sy herim-pamoretana no enti-miady,   tsy afaka mandresy ny fahalovana raha tsy mandray marina an’i Jesoa Kristy. Ny anarana sy ny andraikitra tsy midika fa efa nandray an’i Jesoa marina ny olona iray toa an’i Nikodemosy Jao.3. Jodasy nanaiky ny andraikitra sy ny antson’i Jesoa izy fa tsy nanaiky ilay niantso azy. Jesoa Kristy ihany no manova olona.

2-Mibebaha noho ny amin’ny kolikoly nataonao. ASA 17: 30b Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka

3-Sahia manapa-kevitra hijoro amin’ny fahamarinana araka izay azonao atao. Tena ilaina ny fanapahan-kevitra, io no tsy ataontsika matetika. Jos. 24: 15, 19 mila mandray fanapahan-kevitra izany

4-Mazoto mandalina ny teny fahamarinana. Jao. 17: 17 Manamasina azy amin’ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana. Ny fahamarinana iray dia « justice »: fitondran-tena mandeha mahitsy. Ny iray dia « verité »: fahamarinana avy amin’ny tenin’Andriamanitra iorenantsika no afaka manamasina antsika. Manaova fandalinana, jereo ao amin’ny konkordansa amin’ny Baiboly amin’ny teny Malagasy ahitanao ireo toko sy andininy rehetra mahakasika ny teny hoe: « kolikoly ».

5-Ampiasao ny fiadiana: “vavaka” Mar. 14:  38  .Mivavaha mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy. Mivavaha ho anao ary mivavaha koa ho an’ny hafa koa.

6-Roahy ny devolin’ny fitiavam-bola. Tena asan’ny fifohazana mihitsy ity iray  ity. Ny mamôna dia tena sampy, hery ratsin’i Satana no ao ambadik’io mamona io.  mat.6:24. Raha vao tia vola ianao dia maka ny toeran’Andramanitra ao amin’ny fonao ny vola “tiava an’i Jehovah Andriamanitrao …amin’ny fonao rehetra”. Ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra koa ampiasaina io fa tsy tiavina. Mihorohoro ny olona amin’ny Lioka 14:33. Jesoa no niteny:« Ary toy izany koa ianareo rehetra, izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro”. Raha mikarama iray hetsy ianao, ohatrinona no tokony omena an’i Jesoa, iray hetsy satria an’i Jesoa daolo io, manaiky an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy ianao dia azy avokoa iza rehetra hanananareo. Tsy anao intsony ny vola ka tsy maintsy miera amin’i Jesoa ianao amin’ny hamoahanao azy, Jesoa havoaka ve ny volanao handoavana hofatrano, hividianana sigara sy toaka, hividianana kiraro… be ny kristiana manodikodina ny volan’Andriamanitra amin’ny fandaniam-poana. Tsy maintsy manova ny fitantanam-bolany ny olona. Misy ny herin’ny vola mangeja: misy ny nanolotra ny tenany an’i Jesoa fa tsy ny paosiny.fony mpianatra, efa miasa, misondrotra amin’ny fiainana fa mbola ariary zato hatrany no atolotra ny Tompo, araka izay hananana no ankasitrahana hoy ny Baiboly.2Kor.8: 12.

7– Mananara izay manao kolikoly  Efes.5:11 “Ary aza miray amin’ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany” .Mila mananatra isika anefa tsy masiaka ary tsy mitsara . Mitenena amin’ny fotoana mahamety azy. Tsy mahazo mangina isika

8-Sahia mijoro vavolombelona amin’ny kolikoly hitanao: misy ny vatan’ny bianco : soraty alefaso ao, raha misy kolikoly hitanao any amin’ny fiangonana, soraty alefaso aty amin’ny Filoha FJKM. Nisy ny asa nataon’ny mpanatrika fofifi: Soratana ny trangana kolikoly efa hita natao amin’ny taratasy ary nomena ny filohan’ny FJKM

9-Tohano ny asan’ireo miady amin’ny kolikoly : Epistilin’ny Jaona 3: 7-8 fa noho ny Anarana no niangany, ka tsy naka na inona na inona tamin’ny jentilisa izy. Koa isika dia tokony handray tsara izay toy izany, mba ho mpiara-miasa aminy amin’ny fahamarinana.

10-Meteza ho martioran’ny fahamarinana raha ilaina: Mpit.7:16 Aza marina loatra, ary aza miseho ho hendry loatra; nahoana no simbanao ny tenanao? Fantaro tsara, tena ilaina marina ve ny hanaovako sorona amin’ny fahamarinana amin’ity toe-javatra ity, misy fotoana mila mijoro sy miteny ianao noho ny fahamarinana mila afaka amin’ny fangejan’ny vola.

Nisy ny fotoan’ny fanontaniana sy valiny taorian’izany. Ary nisy ny tomban’ezaka nampanaovina ny mpanatrika FOFIFI manao hoe: inona no fanapahan-kevitrao taorian’ ity Fofifi ity izay nangonina avokoa teny am-pamaranana.

Nanangona S.R/fifiav

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV