Ny dianay tany Antseranana.

LALANA AMBILOBE – ANTSERANANA

Mihazo ny lalam-pirenena faha-6 Ambilobe – Antseranana, izay mirefy eo amin’ny 138 km. Ratsy ny làlana indrindra raha sendra orana na amin’ny fotoam-pahavaratra. Sahirana tokoa araka izany ny fiarakodia mifamoivoy amin’izany làlana izany. Ho an’ireo vahoaka kristiana FJKM namonjy ny fanokafana ny jobily tany Antseranana aloha dia tao anaty main-tany amin’ny ankapobeny na dia sendra orana mijojo kely ihany aza izahay teo amin’ny kaomina ambanivohitra Anivorano avaratra.

TANANAN’AMBILOBE

Tanàna anisan’ny lehibe any amin’ny faritra avaratra iny ny tanànan’Ambilobe. Miha mahazo vahana ao ny fitaterana amin’ny alalan’ny Bajaj izay mifamoivoy ao an-tanàna ary tonga hatrany amin’ny tanàna manodidina mitondra mpandeha. Be fiara mandalo ihany koa ny tanàna ary izay no anisany mampivelatra azy. Anisany nanaitra ny fitohanana teo amin’ny tetezana manapaka ny reniranon’i Mahavavy ary nampitahotra ny tsy zatra ihany ny fihozongozonana kely eo amboniny rehefa sendra ny fiara vaventy toy ny kamiao mitondra entana.

AFIFAB – RADIO AINA FAHAZAVANA

Fampiofanana sy ffampizarana traikefa

Ankoatra ny fiatrehana ny telo andro nanamarihana ny fotoam-panokafana ny Jobily faha-50 taona ny FJKM sy ny faha-200 taona nahatongavan’ny Misiona LMS teto Madagasikara, natao tany Antseranana ny 18 ka hatramin’ny 20 Aogositra lasa teo iny, dia nihaona tamin’ireo ekipa miasa ao amin’ny Radio Aina Fahazavana Antseranana ny solontenan’ny Asa Fifandraisana sy Fampahalalam-Baovao (AFIFAB) FJKM. Nisy ny dinidinika nifanaovan’ny roa tonta ary tao anatin’izany ny fampizarana traikefa. Nanana ny hetahetany rahateo izy ireo izay nampitaina ny amin’ny fanatsarana ny fomba fiasa eo anivon’izany onjam-peo iray ao an-tampon- tanànan’Antseranana izany. Nifanakalozan-kevitra ny amin’izay tokony ho ataon’ny andaniny sy ny ankilany araka ny tandrify azy avy.

Dimy taona eo izao no niorenan’ny Radio Aina Fahazavana, ary onjam-peo miompana tanteraka amin’ny fitoriana Filazantsara izy amin’ny alalan’ireo fandaharana samihafa alefany ao aminy.

AFIFAB / FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV