Fiaraha-miasa FJKM / RTA

NOTOLORANA  PYLONE  SY CABLE

NY RADIO FAHAZAVANA

Nanolotra pylone sy câble tendeur  mampandeha izany ho an’ny RADIO FAHAZAVANA  ny GROUPE  RTA ny Alatsinainy 11 septambra 2017 lasa teo.Teny amin’ny foiben’ny RTA Ankorondrano no nanaovana ny fanolorana ofisialy  .

Tonga nanotrona izany teny an-toerana ny avy ao amin’ny Birao Mpiandraikitra Foibe FJKM (BMF), izay notarihin’ny Filoha Mpanampy Atoa ZARAZAKA Jean Louis Mpitandrina . Teo ihany koa ireo komity ny AFIFAB FJKM sy ny Talen’  ny Asa +FIfandraisana sy FAmpahalalam-Baovao (AFIFAB) sady Tale ny Radio Fahazavana rahateo, Rtoa RAZAFIMALALA Tantely Hariliva.

Izao no natao dia vokatry ny fihaonan’ny Filohan’ny FJKM ,Atoa IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina sy ny Filoha Tale jeneraly ny RTA, Atoa Edgard RAZAFINDRAVAHA, ary tohin’ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Tsiahivina fa  efa mizotra tsara izao ny fandaharana « Mihary Finoana » izay vokarin’ny Afifab ao amin’ny Fahitalavitra RTA.

Nanamafy ny Filoha Mpanampy BMF FJKM nandritry ny lanonana fanolorana, fa fitaovana iray hanatrarana ny Vina amin’ny famontosana Filazantsara ny Nosy Madagasikara ny Radio Fahazavana , ka zava-dehibe ny fahazoana izao fitaovana natolotry ny RTA izao. Fantatra nandritry ny fanolorana ihany, fa hafainganina ny fametrahana ireto fitaovana ireto eny Ambohibe Ilafy.

« Fandraisana anjara amin’ny famontosana filazantsara ny Nosy Madagasikara, fa tsy kajikajy politika », hoy ny fanamafisan’Atoa Naina RANDRIAMANANJARA, Tale Jeneraly ny RTA, raha niresaka tamin’ny mpanao gazety. Nanamafy hatrany ny tenany fa zava-dehibe ho azy ireo ny fandrosoan’ny asan’Andriamanitra. Ny orinasa RTA izay tantaniny rahateo dia manankina ny asa amin’Andriamanitra.

Araka ny fanazavany hatrany, afaka miara-miasa amin’ny Radio Fahazavana, ny AFIFAB, ary indrindra ny Foibe FJKM sy ny FJKM manontolo ny RTA rehetra manerana ny Nosy.

Mirantsoa RASOANAIVO

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV