SFL / Fisaorana
Ho an’
Ny KOMITY FOIBE SFL rehetra
Ny Prezida Synodaly rehetra sy ny Birao miaraka aminy
Ny Filohan’ny VPL rehetra sy ny Birao miaraka aminy
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana ary ny Sampana Vondrona Fototra Laika rehetra
FISAORANA:
Hanapaka ao am-ponareo anie ny Fiadanan’ny Tompo ry Havana,
Ny Filoha sy ny Biraon’ny SFL, ny vady aman-janany sy ny fianakaviana manontolo dia maneho fisaorana sy fankasitrahana feno anareo tonga nidodododo sy nampahery ary niombona alahelo noho ny fodiamandrin’
ANDRIANTSOA Yves Michel,
Tonian’ny SFL.
Niharihary tokoa ny Voninahitr’Andriamanitra tamin’ny fiombonana sy ny fikarakarana rehetra ka ny Tompo manankarem-pahasoavana anie hamaly fitia anareo.
« Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy nyfitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany » Hebreo 6: 10
Amin’ny anaran’ny Biraon’ny SFL sy ny Fianakaviana manontolo