AFIFAB / 20 T. Radio Fahazavana
FISAORANA
Isaorana ny Tompo fa tontosa soa aman-tsara ny Fanompoam-pivavahana fisaorana sy fiderana an’ Andriamanitra noho ny Ivon’ ny fankalazana ny faha-20 taonan’ ny Radio Fahazavana (88.6 Mhz) sy famoahana ny Andiany SANTATRA FAHAZAVANA , mpiofana Serasera sy Fifandraisana AFIFAB/FJKM miisa 92 mianadahy.
Isaorana ireo tonga nanome Voninahitra ny fotoana , ireo mpitondra fivavahana eo anivon’ny FJKM, FFKM, FFPM , ireo manampahefana isan’ambaratonga , ireo tomponandraikitry ny Haino aman-jery samihafa , ny fianakavian’ny mpiofana , ireo mpanao tsy lazaina isankarazany , ny Mpitandrina mivady sy ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana, ireo rehetra nisalahy nifanome tànana ho amin’ ny fahatanterahan’ izany ka nisehoan’ ny Voninahitr’Andriamanitra ny 17 Septambra 2017 teo, tao amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana .
Andriamanitra manankarem-pahasoavana anie hamaly fitia anareo tsirairay avy .
AFIFAB / FOIBE FJKM