AFIFAB / 20 T. Radio Fahazavana

FISAORANA 

Isaorana ny Tompo fa tontosa soa aman-tsara ny Fanompoam-pivavahana fisaorana sy fiderana an’ Andriamanitra noho ny Ivon’ ny fankalazana ny faha-20 taonan’ ny Radio Fahazavana (88.6 Mhz) sy famoahana ny Andiany SANTATRA FAHAZAVANA , mpiofana Serasera sy Fifandraisana AFIFAB/FJKM miisa 92 mianadahy.

Isaorana ireo tonga nanome Voninahitra ny fotoana , ireo mpitondra fivavahana eo anivon’ny FJKM, FFKM, FFPM , ireo manampahefana isan’ambaratonga , ireo tomponandraikitry ny Haino aman-jery samihafa , ny fianakavian’ny mpiofana , ireo mpanao tsy lazaina isankarazany  , ny Mpitandrina mivady sy ny  FJKM Andrainarivo Fahasoavana, ireo rehetra nisalahy nifanome tànana ho amin’ ny fahatanterahan’ izany ka nisehoan’ ny Voninahitr’Andriamanitra ny 17 Septambra 2017 teo, tao amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana .

Andriamanitra manankarem-pahasoavana anie hamaly fitia anareo tsirairay avy .

AFIFAB / FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV