SP 11 / FJKM Rasalama Maritiora Ambohipotsy

 

Fifaninanana Hira Faneva sy Logo
faha-150 taona

Noho ny fankalazana ny faha-150 taona ny FJKM Tranovato Rasalama Martiora Ambohipotsy( 1868 -2018), dia misy ny fifaninanana karakarain’ny fiangonana.

Ireto avy ireo sehatra hifaninanana:

1 – Hira faneva

2 – Sary famantarana.

Ny Teny faneva ny faha-150 taona, dia ny ao amin’ny Salamo 72:19bAry aoka ny tany rehetra ho henika ny voninahiny. Amena dia Amena”.

Ny daty farany fanaterana ny taratasin’ny mpandray anjara amin’ny fifaninanana, dia ny Zoma 29 Septambra 2017. Afaka mijery “facebook” kosa ireo izay te-hahafantatra ny andinindininy samihafa tsara ho fantatra rehetra momba izany, ary mankasitraka ny fandraisanao anjara.

Tsiahivina, fa ny Alahady 19 Novambra 2017 amin’ny 8 ora maraina ny fotoana hanombohana ny fankalazana an’Andriamanitra amin’izao Jobily lehibe izao. Ny 19 Novambra 2018 kosa no fotoam-pamaranana ny Jobily.

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV