Misionera LMS / Nanana vina

David JONES sy Thomas BEVAN.

Ny atao hoe VINA, dia sary mamintina ny hevitra momba ny hoavy. Ny Synoda Lehibe FJKM dia nanapaka fa, “hijanona ho firenena kristiana hatrany I Madagasikara amin’ny taona 2118”. Amin’izao faha 200 taona nidiran’ny Fivavahana kristiana nentin’ny LMS izao,dia mbola firenena kristiana isika. Afaka 100 taona aorian’ny 2018, dia mbola ho izany ihany
I Madagasikara. Tsotra sy mazava toy izany ny VINA, ary nanana izany ireo Misionera roalahy nirahin’ny LMS nankaty Madagasikara, dia David JONES sy Thomas BEVAN.

FANOMANANA
Tao amin’ny Sekoly Mpitoriteny any Pays de Galles no nanomanana azy roalahy ho Misionera nandritra ny 1 taona, na dia efa mpitoriteny aza izy ireo. Fanefena ny finoana,fanomezana teknika fampianarana, sns: izany no anisan’ny niofanany tao. Fa izay hita tamin’ny nataony, dia ny fananany toetsaina sahy niatrika ny sarotra sy ny mafy rehetra, tany
amin’ny tany tsy fantatra.

Naka vady nitovy firehana taminy izy roa lahy ireo, mba tsy hampizara ny saina rehefa any an-tsahan’ny Tompo any. Samy nanana zanaka kely avy raha hiditra an’I Madagasikara ireo tokantrano roa ireo.. Hitako ny talentan’ny vadiko izay nambabo fon’olona Malagasy,mihoatra noho izaho, hoy D. Jones.Nanezaka nianatra ny teny malagasy tao Maorisy koa izy ireo, nialoha ny niampitany taty.Maro rahateo ny Malagasy no navarina ho andevo tany, ka afaka nitombo haingana kokoa tamin’ny fahaizana izy ireo.
Ny fotokevitra namolavolana azy roalahy dia taratra tamin’ny nataony: “tsy misy na inona na inona, nefa mahavita na inona na inona”. Tsy hoe tsy maintsy vatsiana izao na izao vao afaka hiasa sy hahavita zavatra, toy ny fandre ankehitriny.

ZAVA-TSAROTRA TOHIVAKANA
Tao Maorisy dia efa nisedra zavatra sarotra izy ireo. Nokivian’ny Governora HALL (09 May 1818), izay nisolo toerana nandritra ny volana maromaro ny Governora lasa niala sasatra tany Angletera. Ratsy, hoy io olona io, ny fifandraisan’I Maorisy sy Madagasikara. Mpanao varotra olona ny mpitondra any, nefa ny fanjakana britanika dia efa nitsipaka izany.Teo koa ny solontenan’ny mpanjaka Radama I tao Toamasina, dia Jean René. Tsy nankasitrahany ny hijanonan’ny Misionera tao Toamasina, fa nandrisika azy ireo hiakatra any Antananarivo. Ny tetikadiny, dia ny tsy hahombiazan’ny fitoriana ny Filazantsara ao Toamasina, ka hampihiratra ny sain’ny mponina fa ratsy ny varotra olona, izay fidiram-bolany sy ny fanjakana.BRAGG, anglisy izay nandray tokoa azy roalahy tao Toamasina, dia mpomba koa ny varotra olona. Nolazainy fa olona masiaka be ny mpanjaka Radama I. Hovidian’izy roalahy lafo ny làlan-davitra 400 km mankany Antananarivo.

Ho an’ity Anglisy ity, dia tsy tsara ny hiakarana any fa mijanona ao Toamasina ihany.Ity olona ity dia nampandoa volabe an’I D. Jones tamin’ny trano nomeny hipetrahany, ny fitsaboany azy sy ny vady aman-janany, ny fandevenana ireo vady aman-janany ireo. Ary fantatr’I D. Jones fa, nangalatra volabe tao aminy koa io Anglisy io, nandritra ny naharariany, ary nolazainy mihitsy aza fa efananapoizina azy i Bragg.Ny iraky ny mpanjaka izay nampitondrainy taratasy niantso ireto Misionera hiakatra any Antananarivo, dia nanasaro-javatra ihany koa. Nafenin’izy ireo io taratasin’ny mpanjaka io, fa tsy nomeny azy roalahy, toy ny milaza fa efa maty avokoa ny Misionera. Tena diso fanantenana ny mpanjaka rehefa nahazo izany tsy fahitana intsony ireto Misionera ireto.

FOMBA FIASA
Rehefa nanokatra Sekoly tao Ivondro Toamasina izy roalahy, dia ny fomba fampianatra Methode Lancaster no nampihariny: izay efa kinga kokoa dia mampianatra ireo somary votsa. Vetivety dia nitombo hainga ny fahaizan’ny mpianatra. Ireo vao nanomboka nanoratra dia tamin’ny fasika no solaitra fanoratana, fa ireo efa lasa kokoa no nanoratra tamin’ny taratasy, mba ho hitan’ny Foibe LMS any Londres ny fivoarany.

Nanafatra Misionera mpanampy azy I D. Jones, rehefa maty avokoa ireo vady aman-janany, sy T. Bevan mianakavy. Napetrany ny masontsivana ho Misionera: olona iray mahay nymomba ny Fitsaboana, olona iray mahay taozavatra, olona iray botanista (mahay zavaboary),olona iray hanampy ao amin’ny Sekoly.

A.Zaka, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV