Fanazavana perikopa / Sept 2017

Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo

Ao amin’ny Testamenta Taloha, ny fihetseham-po ao anaty, vokatry ny toe-javatra iray izay hetsehin’ny tombontsoa mety ho azo na tsia no miteraka ny henatra na tsia. Koa raha mandray ity lohahevitra ity : « Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo » dia mifamatotra amina tombontsoa izany. Tonga tsy maintsy manana safidy ny olona tsirairay mba hahazoany tsy ho menatra eo amin’ny ataony.

Daniela 3, 13- 18 : Perikopa maneho ny fijoroan’ny Mpanompon’Andriamanitra izay misafidy ny tsy hivadika Aminy ity. Eo anoloany ny sampin’ny Mpanjaka fa efa ao anatin’i Daniela sy ny sakaizany kosa ny fanekeny an’Andriamanitra ho Tompo sy Andriamaniny. Koa na dia efa voarafitra sy nivoaka aza ny didy (and. 1- 7) mba hiankohofana amin’ny sampin’ny mpanjaka, ary na dia nampangaina ho mpikomy aza i Daniela sy ny sakaizany (and. 8- 12) dia safidin’izy ireo ny tsy hivadika (and. 13- 18). Io safidy io no mitondra ny tsy fananana henatra ho an’ireto Mpanompon’Andriamanitra ireto. Ary ny tombontsoa antenainy ka namboly ny safidiny dia ny finoany fa hamonjy azy Andriamanitra.

1 Samoela 17, 38- 51. Ity toko faha 17 ity dia tantara tsy zovina amin’ny maro. Mitantara an’i Davida sy i Goliata. Raha tsiahivina ny tantara dia toy izao : Namely ny Zanaky i Israely ny Filistina ka nampahory azy (and. 1- 11) Tsy nitsahatra ny nihantsy azy  ireto Filistina ireto ka tamin’izay ny tonga tao amin’ny toby i Davida (and. 12- 27). Vonona handray andraikitra hamonjy ny fireneny izy, saingy tsy maintsy niaritra ny fanoheran’ny rahalahiny (and. 28- 31) vao niroso ho solontenan’ny vahoakany hanohitra ny fahavalo niombonany (and. 32- 37).

Eto amin’ity perikopa ity, indro eo anoloany ny fitaovam-piadiana roa samy hafa (Fitaova-miaramila sy ny finoana an’Andriamanitra mpampandresy). Safidy ny hiaraka amin’Andriamanitra hoentiny miady. Io Andriamanitra io no ahazoany tombony (Andriamanitra mampandresy and. 47), satria efa mahazatra azy ny miaraka aminy, fa ny fiarovan-tratra sy ny loha ary ireo pitsopitsony fitondran’ny miaramila miady tsy nanavia azy. Izany no tsy nampanana henatra azy handringana ny fahavalon’i Jehovah.

Josoa 24, 14- 24. Raha miteny amin’ny rahalahiny i Josoa ka mampisafidy azy ireo amin’ny andriamanitry ny Egyptiana sy Jehovah Tompo dia nalahany teo anoloan’ny olona ireto andriamanitra. Nentin’i Josoa hahatsiaro ny fijaliana sy ny fahoriana niarahan’ireto vahoaka ireto tamin’ny andriamanitry ny Egyptiana. Tsy azo atao ny manao tan-droa na manompo andriamanitra roa samy hafa. Anjaran’ny tsirairay ny manao safidy amin’izay andraisany tombontsoa ,ka tsy hitondra ny olona amin’ny henatry ny fanarahana an’Andriamanitra marina.

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

RAKOTOZANANY Andrianirinomena Jules, Mpitandrina

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV