Alatsinainy 18 Septambra 2017 .

Aza menatra ny ho  vavolombelon’ny Tompo 

1 Korintiana  3.1-9

Ny mpanompo mahatoky

1-Mananatra 

Manana toetra tsy mifanaraka amin’ny fiainana  maha-kristiana ny mpino  sasany  tao Korinto. Tsy  niainan’izy  ireo  ny Tenin’ Andriamanitra , tsy niorina tsara ny finoany . Ambaran’i  Paoly Apostoly  aza fa mbola  mandeha  araka ny maha-olona nofo  ihany  fa tsy mandeha  araka ny Fanahy . Nanjaka tao amin’izy ireo  ny fiainan’izao tontolo izao , tsy mirindra ny fiainan’ny fiaraha-monina . Mananatra mafy  i Paoly  Apostoly , fa tsy  mifanaraka amin’ny fiainana maha-kristiana izany  ka tokony  ialana . Ny tena mpanompon’ Andriamanitra mahatoky  dia tsy  menatra manitsy  sy mananatra izay rehetra tsy mitoetra tsara amin’ny finoana .

2-Mahay  miara-miasa amin’ny hafa

Asehon’i Paoly Apostoly fa na dia maka ankolafiny  aza ny kristiana . Mitady  hampizara sy  hampitsitokotoko  ny mpitory  ny Filazantsara  dia ambarany fa tena mpiara-miasa ireo  nofidian’i Jesoa Kristy. Mifameno ny asa fanompoana  tanterahan’ny  mpitory ny Filazantsara . Mpiara-miasa amin’ Andriamanitra  ny mpitory ny Filazantsara  , noho izany mahay miara-miasa ho fampandrosoana ny kristiana ho ao  amin’ny famonjen’i Jesoa Kristy  . Mijoro  vavolombelona  ny mpanompo mahatoky  fa tsy azon’ny olona zarazaraina eo amin’ny asa fanompoana  nanirahana azy .

Fanontaniana:

Inona  no tokony  hatao  mba handresena  ny ady  sy ny fifampiandaniana eo amin’ny samy kristiana ?

Birao  Sekoly  Alahady FOIBE FJKM

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV