Alarobia 13 Septambra 2017 .

Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo 

Marka 8.34-38

Sahia  mijoro  ho mpanara-dia ny Tompo 

1-Ampandefero ny fitiavam-bola  aman-karena 

Ny and 34 sy 35 raha  fehezina  dia toy   ny milaza amintsika ny tsy tokony himatimatesana loatra  amin’ny fitiavam-bola aman-karena  eto amin’izao  tontolo izao  . Tsy  afa-miaraka  mantsy  ny fanompoana  an’ Andriamanitra sy mamôna (vola). Koa ampandefero  ny fitiavam-bola aman-karena raha tena hanompo  sy hijoro  ho vavolombvelon’i Kristy isika. Voavidy  vola avokoa  amin’izao  fotoana izao na ny rariny  sy ny marina aza . Ny olona  tsy sahy  mijoro amin’ny finoana , noho  ny vola dia efa  nivarotra ny maha-kristiana azy.Koa sahia mijoro  ho mpanara-dia ny Tompo . Mizaha hampandefitra ny fitiavam-bola  aman-karena .

2-Hevero  ka matahora ny farany 

Ny and 38 dia mampahatsiaro antsika izany fitsarana izany .Izay mandà  an’i Jesoa sy ny fampianarany mbamin’ny teniny ankehitriny ka menatra  ny hijoro  ho mpino kristiana dia hitsanga-menatra koa amin’ny fitsara farany . Koa ho antsika izay menatra na matahotra ny ho vavolombelon’ny Tompo  dia tsarovy  fa tsy ny atrehantsika ankehitriny ihany no fiainana . Hisy fitsarana  hitondrana anao , mety hihevitra isika fa manana solovava ao amin’ny Ray . Mba  ho menatra tahaka ny nataonao koa io mpisolovava io  amin’izay fotoana izay. Noho izany  , aza mijery  fotsiny  ny hita ankehitriny , fa hevero ka matahora ny farany .

Fanontaniana:

Nahoana  no mety ho menatra antsika ilay antenaina hisolo vava  antsika amin’ny fitsarana farany ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV