Hafatry ny filoha / Antso avo II .

 

Ry Andriamanitra velona ô, havaozy sy ovay izahay”!.

2-Manao antso avo izahay mba hanova fomba fisaina sy fomba fiaina isika ka mba holalaina mihoatra noho ny tamin’ny lasa ny fiombonana sy ny fifankatiavana eo amin’ny samy mpanompon’Andriamanitra, na mpiray fiangonana, ny mpiray sampana, ny mpiara-miasa any amin’ny birao sy komity samihafa rehetra any. Dia samy hiezaka handefitra sy hifamela heloka isika, hifampihaino sy hifampandroso ao anatin’ny fanajana ny fandaminan’ny Fiangonana! “Ry Andriamanitra velona ô, havaozy sy ovay izahay”!.

Ry havana malala, araka ny ambaran’ny Fitsipiky ny FJKM and.265 8, moa dia “Raiamandreny” ny Filohan’ny FJKM. Koa antso avon’ny Raiamandreny ihany no ataonay. Tsy fanapahan-kevitra anaovana teny midina, fa antso avon’ny Raiamandreny mahatsiaro fa mbola hampamoahina “eo anatrehan’Andriamanitra sy I Kristy Jesoa, Izay hitsara ny velona sy ny maty” (2 Tim.4: 1).

(Jereo ao amin’ny bokikely Ny vinantsika FJKM Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara izay natomboka naely tany Antsiranana, ny manontolon’ity Hafatra ity raha mahaliana anao)

 

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi , Mpitandrina 

Filohan’ny FJKM

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV