Fandalinampinoana / Calvin

FAMPIANARANA SY TORITENIN’I CALVIN

Amin’izao faha 500 taonan’ny Reformasiona izao, dia tsara indrindra raha miverina mifantoka amin’ireo Mpanitsy fivavahana isika. Ny fampianarana sy Toritenin’i Calvin no hojerentsika eto.

FAMPIANARANY

Ny fianarana momba ny Kanto (art) sy ny Siansa, dia nambaran’i Calvin fa hamantarana sy hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Toheriny avy amin’izany ny filazana fa, mifanohitra amin’ny Tenin’Andriamanitra ireo zavatra roa ireo. Zavatra tokony hilofosan’ny Kristiana ny mianatra azy ireo.

Tsy hahaizana mihitsy ny misterin’Andriamanitra anefa ireo zavatra roa ireo. Tsy afaka hahasolo velively ny Tenin’Andriamanitra ireo, tahaka ny tsy hahaizan’ny apondra  ny naoty mozikaly, raha ny heviteny I Kor 1:20 nataony. Eo ambany fanazavan’ny Tenin’Andriamanitra, sy hanompoana ny Tenin’Andriamanitra ny Kanto sy ny Siansa, hoy i Calvin.

Ny Teolojiana koa anefa dia tsy hahay Tenin’Andriamanitra mihitsy, raha “tsy voatsindrona tam-pony” (Asa 2). Tamin’ny androny, ireo ho mpianatra teolojiana dia nampanaovina Sonia ny Fampianaram-pinoana, izay vao noraisina hianatra. Tsy olona vao hianatra Fampianaram-pinoana ireo, fa efa mahay sy nanaiky hanaja izany.

Talohan’ny nitsanganan’ny Oniversity naoriny, dia i Calvin tenany mihitsy no Oniversity nianaran’ny mpino. Nirohotra nianatra taminy ny Mpitandrina eran’i Eraopa. Tamin’ny taona 1561, dia nahatratra 1000 ny olona tonga isa-maraina tany am-piangonana, nanaraka ny fampianarany.

Ny zavatra nampianarin’i Calvin dia toy izao. Isan’andro izy dia nanazava Testamenta Taloha, ary isak’Alahady kosa dia nanazava Testamenta Vaovao. Mpampianatra tsy nety nitsahatra izy, na dia olona farofy tokoa aza, noho ireo aretina maro mamely azy ( an-doha, vavony,…). Tsy nahasakana azy  ny fahakamoana sy ny aretina, fa dia vitany tsara tokoa ny asan’ny Tompo.

Ny fomba fampianarany dia miainga tamin’ny Baiboly Hebreo (T.T) sy Grika (T.V). Tsy mba nisy naoty teo ambany masony, nefa dia ireny nikoizan’ny olona ireny ny teniny. Midika izany fa, tena niomana fatratra izy, ary nahafehy tsara ny fampianariny, toy ny fifehezany ny Toriteniny ihany.

Nasainy nandray naoty ny mpianany nihaino azy. Rehefa vita izany, dia niverenany novakina ireny ny ampitso maraina. Mbola nasainy nohamarinin’ny Mpitandrina namany koa anefa izany, toa an-dry G. FAREL sy T. de BEZE. Zavatra tsara omana sy masaka tsara ary ireny asa soratra nataony ireny.

TORITENINY :

Mitoriteny isan’andro i Calvin, ary izany dia mialohan’ny handehanan’ny olona miasa, toy ny maraim-baovao ataon’ny maro ankehitriny. Mitoriteny in-droa isak’Alahady koa izy, ary tsy nisy kitoatoa izany Toriteniny izany. An’arivony ny Toriteniny no nisy nitana an-tsoratra, ary mbola voatahiry mandraka ankehitriny ireny.

Nanome Torohevitra rehefa hanao Toriteny i Calvin.

  • Aoka ny Mpitoriteny hampihatra ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fiainany manokana. Tsaroana eto ny hoe “asiako mafy ny tenako ho mangana…” (I Kor 9:27), fa tsy mpamelively ny hafa.
  • Fantarina izay tena hevitry ny Teksta. Ho an’i Calvin, dia ny Soratra Masina manontolo mihitsy no Filazantsara, fa tsy ireo boky 4 fotsiny akory.
  • Tsy misaraka mihitsy amin’ny fampianaram-pinoan’ny Fiangonana ny Toriteny. Izany no endrika fiarahan’ny Mpitoriteny amin’ny Fiangonana mandinika Tenin’Andriamanitra.
  • Io Toriteny atao io dia sakafon’ny ondry, ka tsy azo atao ratsy nahandro mihitsy, sao mivadika poizina hampaharary na hahafaty mihitsy ny ondry. Nefa koa dia fiarovana ny ondry ny Toriteny, amin’ny fampianaran-diso sy sandoka mety hohaniny eny rehetra eny.
  • Ampiharina amin’ny seha-piainana rehetra ny Toriteny, fa tsy lafy moraly fotsiny akory. Misy ny fibebahana moraly (ratsy fitondrantena), fibebahana mahakasika ny fampianarana, ny saina, ny fitondram-bahoaka, sns.
  • Mandeha alohan’ny fikatsahan’ny mpino izay ilainy (famonjena, fitahiana,…), ny fanomezany voninahitra an’Andriamanitra. Ny olona mahavita manome voninahitra an’Andriamanitra dia efa voavonjy sy nahazo fahasoavana avy Taminy.
  • Tsy voatery hahafaly na hamalifaly toy ny miala voly ny mpihaino ny Toriteny. Ohatra, mety mifankatia ny mpisotro toaka saingy tsy ny sitrapon’ny Tompo no iarahany eo. Mety miray hina ny mpivavaka, saingy aoriny amin’ny fomban-drazana izany (iray fasana, iray fiaviana,…).

Fotoana tena iverenana mamaky itony Fampianarana sy Toritenin’i Calvin itony azy izao, satria dia hita fa mirona ho any amin’ny fanaovana ny Fiangonana ho Orinasa mpanao trano sy mpitady vola izao vaninandro izao. Tsy ny vola miditra no maha Fiangonana lehibe sy matanjaka, fa ny Fampianarana sy Toriteny zaraina sy iainan’ny Fiangonana.

A.Zaka, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV