Alatsinainy 11 Septambra 2017 .
Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo
Asan’ny Apostoly 26.12-18
« Mitsangana ka mijoroa amin’ny tongotrao » (and16)
1-Mialà amin’ny endri-pahafatesana
« Mitsangàna!… » (and16a) . Teny mibaiko fahita ao amin’ny Soratra masina sy fandrentsika amin’ny fanirahana mpaminany izany . Teny teo am-bavan’ny mpaminany izany . Teny teo am-bavan’i Jesoa rehefa manasitrana sy manangana ny maty (Mat 9.25; Mar 5.41) ka io fialana amin’ny fahafatesana io no hevitry ny hoe: mitsangana . Koa izay manam-piniavana hijoro ho vavolombelona dia tsy maintsy ho olona vonona sy manam-piniavana hiala amin’ny endri-pahafatesana rehetra , na olona nesorina tao amin’ny maizina sy ny fahafatesana ho amin’ny mazava sy ny fiainana (zahao and 18). Tsy izay tsy mahafoy ny toetra ratsy fanaony na tamana amin’ny fomba amam-panao mifanohitra amin’ny maha-fiangonana sy maha-kristiana no afaka hijoro ho vavolombelon’ny Tompo , fa olona tena mibebaka .
2-Aza mety hahilangilan’ny hevitra samihafa
« Mijoroa amin’ny tongotrao » . Fomba fiteny itaomana ny olona hiatrika adidy izany . Ny hevitra eto dia mizotra amin’ny hoe: Aza mety havily na ahilangilan’ny foto-kevitra samihafa . Ny Apostoly Paoly dia mpivavaka Jiosy mafana fo . Rehefa asain’ny Tompo « mijoro amin’ny tongotra »dia taomina hanadino izany hevitra sy foto-kevitra samihafa izany . Isika koa , raha tena hijoro ho vavolombelona dia aza mety hahilangilan’ny fampianarana isankarazany fa mijoroa amin’ny tongotrao .
Fanontaniana:
Moa afa-miaraka ve ny fitiavam-bola sy voninahitra ary ny fahavononana hijoro ho vavolombelona ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM