Alahadin’ny Aumônerie 2017 .

 

                 MANDRESY FIJALIANA NY VAVOLOMBELON’ NY TOMPO”

20 Aogositra 2017

  1. Fiarahabana Apostolika: “Efesiana 1 : 2”
  2. Fisaorana sy Fiderana an’Andriamanitra: Salamo 105: 1 – 5”

Hira: “Avia miondreha” (FFPM – 6 1-2)

Vavaka fisaorana sy fiderana

  1. Sitrapon’Andriamanitra: “Romana 12:11-,13

« Sambatra ny mahitsy lalana,….» (Salamo 119 :1,2)

Hira: “Afafazo” (FF 182)

  1. Fiaiken-keloka: Vavaka

Hira  “Ry Mpamonjiko, Ray Malalako” FF °

5-Famelan-keloka

« Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona, ary ny fahotanao tahaka ny rahona; Koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho. » Isaia 44:22« AnakaAry raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy,  ary Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa. I Jaona 2: 1b – 2

Sambatra ny olona izay voavela ny helony”……. Sal 32:1,2

 Hira: “Mamin’ny foko” (FFPM – 4801)

  1. Fanekem–pinoana: (laharana fahatelo)

Hira: “Sambatra ny sofiko raha mandre ny tena (FFPM – 3341)

  1. Raharaham-piangonana
  2. Fanatitra  Hira: “Antoko Mpihira, HF 43”
  3. Vavaka fanolorana ny Rakitra : Hira FFPM – 275: 1, 2,                                            7-Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra:  

    Dimy minitra ny Ankizy sy ny Tanora (Hiran’ny Sekoly Alahady )

    Hira: “Efa tonga aty izao “ (FFPM – 3571-2)

    Vavaka fangatahana ny fanazavan’ny Fanahy Masina

    Vakiteny

    • Gen 39:19-32
    • Jaona .16:25-33
    • Hebreo10:32-34

    Hira:  3102,3 

    8-Toriteny

    Hira : Chorale

    9.. Vavaka Fangatahana faranana amin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo        10-Asa vavolombelona:

    Hira: “O mandrosoa mba ho tena mpandresy 643 1, 2

    11-Hafatra sy Tsodrano: Romana 15:5-7

    Vavaka mangina

Ho an’Andriamanitra irery  ny voninahitra. Amin’ny anaran’ny Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amen

 

HAFATRA

Ry havana,

         Ampitomboina ho aminareo hatrany ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.

         Isaorantsika Andriamanitra noho izao Alahady izao izay ahafahan’ny Fiangonana mitrotro am-bavaka sy manohana ny Asan’ny Aumônerie FJKM. Miezaka ny Fandrindrana Nasionaly sy ireo Tale Nasionaly isaka ny sehatr’asa mandeha mitety Synodamparitany hanentanana ny Fiangonana sy ny Fitandremana ary ny Synodamparitany hanaovan’izy ireo izany asa izany. Tokony hisy Aumônier ny Synodamparitany handrindra ny fantanterahan’ny Fiangonana ny asa, toy ny fitsidihana ny voafonja, na famangina ireo marary any amin’ny Hopitaly ohatra. Ny fitandremana sy ny fiangonana ary ireo sampana  velona ao aminy koa dia tokony hametraka ao anatin’ny vinan’asany ao mandriatra ny taona amin’ny fanaovana ny asan’ny Aumônerie ka hitondra ny tatitra eo amin’ny rafitra mpiahy azy.

         Raisinay ho adidy ny mampahatsiahy ny fiangonana fa ity asa ity dia fanompoana maika ka tsy tokony hanaovana andraso andraso. Iza indray moa ny hijery ireo marary, voafonja, kamboty, ireo lavitra ny fiangonana, ny fadiranovana sy ireo tra-pahavoazana raha tsy ny fiangonana ihany?

         Manentana antsika ry Havana hifanome Tanana mba hitsinjovana ny mila vonjy sy hanao fitaizam-panahy amin’ireny, hananany antoka ny famonjena ao amin’I jesoa Kristy.

         Feno folo (10) taona amin’ity taona 2017 ry Havana ny Fandrindrana Nasionaly ny Asan’ny Aumônerie FJKM. Hanome Voninahitra ny Tompo isika noho izany. Ny Teny Fanevan’ny nfaha-folo taona dia ny Matio. 25:40 manao hoe: “Araka izay efa nataonareo tamin’ny anakiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no efa nataonareo tamiko”. Ireto manaraka ireto ny fotoan-dehibe hiombonantsika amin’izany:

Zoma, 01 Septambra 2017: Fanokafana ny Faha-folo taona sy fitokanana Chapelle FJKM ao amin’ny Fonja Antanimora Quartier Mineur.

09, 10, 11 Novambra 2017: Ivon’ny faha-folo taona sady Fihaonambe ny Aumonerie FJKM, izay ho tanterahana any Mahajanga.

12, 13, 14, 15 Desambra 2017: Famaranana ny faha-folo taona sy varavaravana misokatra ho fampahafantarana ireo sehatr’asa rehetra sy tatitra momba ny asa.

 Eto am-pamaranana dia Isaorana manokana ireo fiangonana izay  nanatanteraka rakitra sy ireo olon-tsotra  namerina ny  valopy kitapom-batsy 2016.

Maneho fankasitrahana mialoha anareo, ry havana izahay noho izao fotoan-dehibe izao. Azo atao ny manatitra mivantana ny rakitra sy ny valopy fanohanana aty amin’ny foibe FJKM varavarana 202, na mandrotsaka izany any amin’ny Banky araka  ny laharan’ny kaonty voasoratra ao ambadika.

Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.

Ny Filohan’ny Komity Foiben’ny Asan’ny Aumônerie :

RALAMBOMAHAY Hendrininosy, Mpitandrina

Ny Mpandrindra Nasionaly :

RANDRIANAIVOARIVELO Rado Bera, mpitandrina

“…Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto

rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko. ” Matio 25:40

FANDRINDRANA NASIONALIN’NY ASAN’NY AUMONERIE

Trano Ifanomezantsoa, Lot II B 18, porte 202

Totohabato Ranavalona I Analakely

E-mail : aumônerie.fjkm@gmail.com

Tél : 034 39 516 27- 0334158459- 0326850758

Compte N°0005 00001 137 746 90 200 84, BNI-CL ANALAKELY – ANTANANARIVO.

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV