Alahadin’ny KFTM 2017 .
Fandaharana iombonana
ALAHADY 13 AOGOSITRA 2017 .
- Feon-java-maneno
- Fiarahabana apostolika
- Fiderana sy fisaorana ny Tompo:
Sal.145/ 18-21(Rehetra)
Hira 824 :1;4
Vavaka Fiderana
- Sitrapon’Andriamanitra
Mpitarika: IPet.4/ 1 Apo.3/ 21
Rehetra: Sal. 119/ 1, 2
Hira 643 : 2
- Fifonana amin’Andriamanitra:
Vavaka
HIRA 434 : 1.2
- Famelan-keloka avy amin’Andriamanitra:
Mpitarika:Jer 31:3 ; Zak 3:4 ; IIKor 5:21
Rehetra: Sal. 32/ 1, 2
Hira 427: 1; 3
- Fanambaram-pinoana Laharana Faharoa
- Feon-javamaneno
- teny fohy ataon’ny mpitarika
- Raharahan’ny Fiangonana
- Famakiana ny hafatra avy amin’ny K.F.T.M./ FOIBE
- Fotoana ho an’ny ankizy
Hira 768 : 1
Fampianarana
- Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra:
Hira 179 : 1;2
Vavaka
Dan.3/ 19-30 Mat.10/ 21-23 Asa.14/ 19-28
Hira 639 : 1;3
- TORITENY
- Zava-maneno malefaka na Antoko mpihira
- Vavaka fangatahana
- Asa Vavolombelona
- Famaranana
Hira F.F. 56 (Sal.25/ 1-4)
- Tsodrano
Hira 638 : 4
Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina . Amen
Rakitra KFTM Foibe FJKM Taona 2016
-FJKM Andratrehana = 14.000ar
-FJKMAmbodirano = 7.150ar
-FJKM Amparafaravola = 30.000ar
-FJKM Ambondrona Filadelfia = 800ar
-FJKM Nanandrana Firaisantsoa = 2.750ar
-FJKM Iakarana Finoana = 2.650ar
-FJKM Vohimarina Fitiavana = 1.210ar
-Fitandremana Ambondrona = 2.600ar
-FJKM Betafo Fanavaozana = 20.000ar
-FJKM Ambatolampy F Ambohitrimanjaka=30.500ar
-FJKM Ambohijafy Fanantenana = 20.000ar
-FJKM Ambohijatovo Fitiavana chq = 50.000ar
-FJKM Manarintsoa Finoana = 146.400ar
-FJKM Ivandry Firaisana = 121.000ar
-FJKM Ivatobe Famonjena = 5.000ar
-FJKM Ambatolokanga = 5700ar
-FJKM Ambohijanaka Gara Fitiavana = 61.000ar
-FJKM Ifarihy Famonjena = 40.000ar
-FJKM Rasalama Martiora Ambohipotsy= 169.200ar
-FJKM Fiadanana Martiora = 72.000ar
-Fitandremana Androndra = 50.000ar
-FJKM Ambatolampy Fieferana = 50.000ar
-FJKM Betela Fahazavana Amboatavo = 33.600ar
-FJKM Ambatomanankasina = 6.000ar
-FJKM Andravoahangy Fivavahana chq = 969.700ar
-FJKM Tranovato Ambatonakanga = 100.000ar
-FJKM Avaratsena Fanantenana = 20.000ar
-KFTM Rasalama Manjakaray = 200.000ar
-FJKM Tranovato Anjanahary Martiora =120.000ar
-FJKM Ankavandra Fahazavana = 4.300ar
-FJKM Antatabe Finoana = 3.000ar
-FJKM Fitandremana Belavabary F. = 3.000ar
-FJKM Ambatolampy Faharetana = 3.000ar
-P.E Manerinerina = 6.000ar
FANAMARIHANA:
Tsy voasoratra tao anaty programa taona 2016
-FJKM Ambatomena=34.300ar taona 2015
HAFATRA K.F.T.M FOIBE
Ry Havana, ho aminareo mandrakariva anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.
“Ianareo no vavolombeloko hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko”Isa43:10a
Izany teny izany ry Havana,no entina indray ho amintsika mpianakavin’ny finoana, hanamariantsika manokana ny amin’ny faha 180 taona nandefonana an-dRasalama sy namonoana ireo martiora teto an-tanindrazantsika.
Tantaran-piangonana tsy azo hodian-tsy hita izany, izay heverina hampahery antsika ny amin’izay vina ho tratrarina”HAMONTO FILAZANTSARA an’I MADAGASIKARA”.
Miharihary eo imason-tsika ny zava maro hotoherina toy izay nosedrain’ireo martiora talohantsika,koa mampahery antsika hatoky hatrany an’Andriamanitra satria “MANDRESY FIJALIANA NY VAVOLOMBELON’NY TOMPO”.
Ny Komity Fanorenana ny Tsangambaton’ny Martiora (KFTM) Foibe dia misaotra an’Andriamanitra amin’ny fiaraha-miasa misy eo amintsika fiangonana sy fitandremana izay anterinay ny fisaorana antsika manohana am-bavaka sy ara pitaovana indrindra ny fandrotsahana ny rakitra isaky ny Alahadin’ny Martiora.
Mba ahafahantsika mifampitantana ny amin’izay asa vavolombelona dia indro tsiahivinay hatrany ny asa sy antom-pisian’ny KFTM:
- Manao izay ahafantaran’ny kristiana ny maha sarobidin’ny finoana an’Andriamanitra, mifototra amin’ny tantaran’ny Martiora sy ny manodidina izany.
- Ny tsangambato manokana hotratrarina dia ny famitana ny “Kianja fanatanjahantena misy ny taranja rehetra(polyvalent) eny amin’ny Kolejy Teolojika Ivato.
Isaorantsika an’Andriamanitra ny fotoana fankalazana ny faha 50 taonan’I FJKM sy faha 200 taona nahatongavan’ny LMS teto Madagasikara, ka hanolorantsika tsangambato eny amin’ny Kolejy Ivato ihany koa.
Manantena izay ry Havana, fa fanoitra sy hery ho antsika avokoa izany asan’Andriamanitra mifanindran-dalana izany, satria tsy natao ho tsangambaton’ny Martiora efa lasa ihany izany, fa tsangambaton’ny FANDRESENTSIKA MARTIORA VELONA ankehitriny.
Arak’izany, dia miantso antsika mba handrotsaka ny rakitra sy izay fanomezana hoan’ny KFTM izay aterina ao amin’ny varavarana 503;Foibe F.J.K.M, rihana faha-5. Raha toa ka misy ny fanontaniana ilam-baliny mikasika ny asan’ny K.F.T.M dia azontsika atao tsara ny manantona aty amin’ny FoibeFJKM.
Eto am-pamaranana ry Havana dia mirary ny fahasoavan’ny Tompo mba hirotsaka amintsika hatrany ka hahefa be amin’ny fanompoana ny Tompontsika.
Dia manao veloma anareo amin’ny Anaran’ny Tompo.
Amin’ny anaran’ny KFTM Foibe FJKM
Varavarana: 503,rihana faha -5 Tél: 033 11 262 85