Hafatry ny Filoha / Aogositra 2017 .
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !
Aza resin’ny hakiviana
Noho ny fitomboan’ny ratsy
Sy fihanaky ny loza !
Aza alaim-panahy hiala
An-daharana raha toa
Toa mahery ny haratsiana.
Aza mety ho vaky sambo
Raha sendra misafotofoto
Ny tafiotran’ny tsy tia
Izay manenjika, mifofo.
Avilio ny masonao
Tsy hibanjina an’ireny
Ka ny Tompo no jereo.
I JesoaTompo dia mahery
F’efa niaritra tokoa
Ka nigoka hatramin’ny farany
Ny kapoakany mafaitra;
Nefa fantatrao mazava
ny fandreseny tsy hay tohaina
ny maraina koan’ny Paska,
fa nitsangana nyTompo!
Anoloan’ny fandreseny
Dia tsy misy fahavalo
Mety haharesy antsika!
Anoloan’ny fandreseny :
Tonga bitika avokoa
ny fahavalo rehetra rehetra!
Koa mandehana, matokia!
I Jesoa Tompo no jereo:
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !