Ny FEO DIMY 35 Taona .

Taom-pankalazana

Ho feno 35 taona ny Antoko Mpihira Ny Feo Dimy amin’ny 2018 ka hankalaza an’ Andriamanitra noho ny famindrampony tsy manam-paharitana sy ny fombany mahagaga ka naharetana tamin’ny fanompana Azy.

  1. Ny niorenany

Ny 10 Jona 1983 no niorina tao Ambohibao ny Feo dimy ka mpikambana 5 no tao anatiny, 4 mpihira ary 1 mpitendry.  Taty aoriana kely dia tonga feo dimy samihafa ny Feo Dimy ankoatry ny mpitendry miaraka aminy. Tsy Sampana ao amin’ny Fiangonana izy fa miasa ho an’ny Fiangonana. Voajoro ara-panjakana sy manana sata maha-fikambanana azy ny Feo Dimy.

  1. Ny zavakendren’ny Feo Dimy

Ny handrenesan’ny mponina eran-tany ny Filazantsaran’ I  Jesoa Kristy sy handraisany ary hanekeny Azy ho Tompo sy Mpanafaka azy. Io no zavakendren’ny Feo Dimy ka ny fihirana ny karazan-kira Negro Spirituel sy Gospel Songs no naharesy lahatra azy ireo mba hanatrarany izany araka ny Tenin’ Andriamanitra hoe “Hivoaka avy any Ziona ny Mpanafaka ary hampiala ny haratsiam-panahy amin’ I Jakoba Izy” (Rom.11/26).

  1. Ny antso niantefa tamin’ny Feo Dimy

Teo amin’ny faha-12 taonany avy ny Feo Dimy no nandre ny antson’ ny fanafahana tamin’ny alalan’ny fandrenesana voalohany ny Hira Negro Spiritules sy Gospels Songs nohirain’ny Mpihira efadahy “Les Gilders” avy ao amin’ny FJKM Ambohitantely (1972). Teo no nandrenesana voalohany ny hira “O ! Happy day” araka ny fihiran’ny“Golden Gate Quartet” azy ka nanentana hikaroka momba io hira io ny ffifaliana sy ny fanafahana tsapa tamin’ izany. Nohenoina ireo disque 33 tours navoakan’ ny Golden Gate Quartet, ireo hiran’ ny Les Nanahary ary ny taona 1977 dia tafajoro  ny Choeur d’hommes “Ny vato famonjena.” Noho ny finiavana hampivelatra ny asa fitoriana tao anatin’ny rafitra sosialista niainan’ny firenena tamin’ izany (1983) dia nijoro ny Feo Dimy ka mpikambana 5 tao anatin’io Choeur d’homme io no nandrafitra azy taty aoriana.

  1. Ny fomba fiasa

Olona sy zanaky ny Fiangonana ny Feo Dimy ka miasa ho an’ny Fiangonana. Novolavolain’ ny Fiangonana hatramin’ny nanaovana batisa azy ny Feo Dimy ka tsy manadino ny ati-lavaka niadiana azy (Isa.51/1). Maimaimpoana ny fitoriana ataony ary Jesoa Kristy Mpanafaka no omeny no raisin’ ny olona rehetra ho Tompony.

Fa “Izy tsy maintsy mitombo, izaho kosa tsy maintsy mihena” (Jao.3/30). Tsy ny halaza na ho be voninahitra no kendren’ny Feo Dimy fa ny hanafoana ny tenany ahazoan’ izay rehetra mihaino ny hirany hahita ny famonjen’ I Kristy tsy hita lany. Koa saika ireo Fiangonana Kristiana any ambanivohitra na koa ireo fikambanana kristiana mpanao asa soa no seha-panompoana nandaniany fotoana tao anatin’ny 35 taona. Na dia an-tongotra na mandeha “taxi-brousse” dia samy efa nataon’ny Feo Dimy tamin’ ny fifaliana avokoa.

  1. Ny fiatrehana ny faha-35 taona

Tsy miova ny zava-kendren’ny Feo Dimy fa ny tontolo iasany no miova : taranaka vaovao ao anatin’ny fanatontoloana sy ny teknolojia, fihazakazahan’ny Antoko Mpihira mihira “Gospel” izay singa avy ao amin’ny Negro Spirituals, fiheverana ny hira kristiana ho toy ny entam-barotra azo jifaina ka izay hamalifaliana ny mpanjifa no imasoana. Ireo no manainga ny Feo Dimy hiatrika ny asa fanafahana napetraky ny Tompo teo an-tsorony araka ireto tanjona 2 lehibe ireto :

  • Fampahalalana ny taranaka aty aoriana ny karazan-kira Negro Spirituals sy Gospels Songs izay tsy inona fa razamben-kira niavian’ny Jazz, Blues, Rock’n Roll, Country, Hi-Hop, Rap amin’ izao fotoana izao. Fiverenana amin’ny fototra raha tsorina.
  • Fampiasana ny Hira Negro Spirituals sy Gospels Songs hampitana ny tantara ao amin’ny Soratra Masina, toy ny atao ankehitriny (vaovao an-kira, lesona any am-pianarana atao an-kira). Iray amin’ny tsangambaton’ny faha-500 taonan’ny Fanitsiam-pivavahana ajoron’ny Feo Dimy izany ho fanomezan-danja ny Soratra Masina eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana sy ny Firenena.

 Fifandraisana

 Rahaingonjanahary Rodolphe : 034 36 005 77 – rodolpherahaingo@gmail.com

Rahaingomahefa Pascal : 034 53 383 30 – 033 72 430 56

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV