Hafatry ny Filoha III / Jolay 2017 .

VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA

K’aza dia variana foana

Mihainohaino ny an’ny hafa,

na minia tsy hahalala

‘zao antso avo atao izao,

fa sahia manapa-kevitra

am’zay handray anjara.

 

Andao fa ny olona efa lasa

Nirotsaka nitety trano,

namakivaky lohasaha,

eny, nihanika ny havoana,

niampita rano be voay

mba hitory sy hanambara

ito Filazantsara !

 

Andao fa ny olona efa lasa,

ka miasa isam-bolana.

Ny fiangonana, ireo sampana,

Samy mihetsika, mandeha!

Ka ny akaiky, manodidina,

voatsiditsidika mazàna,

ny alavitra, tsy hadino

f’efa anaty tetikasa

sy tetibola maty paika.

 

Izany izao no ataon’ny olona:

tsy eritreritra sy hevitra,

f’efa tena asa atao.

Ianao koa, mba mitsangàna:

 

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

 

Irako Andriamahazosoa Ammi , Mpitandrina

Filohan’ny FJKM

 

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV