Hafatry ny Filoha III / Jolay 2017 .
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA
K’aza dia variana foana
Mihainohaino ny an’ny hafa,
na minia tsy hahalala
‘zao antso avo atao izao,
fa sahia manapa-kevitra
am’zay handray anjara.
Andao fa ny olona efa lasa
Nirotsaka nitety trano,
namakivaky lohasaha,
eny, nihanika ny havoana,
niampita rano be voay
mba hitory sy hanambara
ito Filazantsara !
Andao fa ny olona efa lasa,
ka miasa isam-bolana.
Ny fiangonana, ireo sampana,
Samy mihetsika, mandeha!
Ka ny akaiky, manodidina,
voatsiditsidika mazàna,
ny alavitra, tsy hadino
f’efa anaty tetikasa
sy tetibola maty paika.
Izany izao no ataon’ny olona:
tsy eritreritra sy hevitra,
f’efa tena asa atao.
Ianao koa, mba mitsangàna:
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !
Irako Andriamahazosoa Ammi , Mpitandrina
Filohan’ny FJKM