Biografia / Ndratoson Georges , mpamoron-kira , mpahay mozika .

NY TANTARAM-PIAINANA ANKAPOBENY

Atoa NDRATOSON Georges Benjamin

 

Andriamatoa NDRATOSON Georges Benjamin, dia teraka tamin’ny 16 Jona 1940 tao Ankadifotsy Befelatanana, Antananarivo. Izy dia zanak’i Rasamoelina Georges, Mpitandrina tao amin’ny FJKM Ambodivona Filadelfia sy RAZANOELINA Jeanne, izay samy efa nodimandy. Manambady an-dRtoa RAVONIARISOA Nirina Angeline izy ary manan-janaka dimy mianadahy.

Fianarana ankapobeny sy ara-tekinika

1947: Sekoly Anglikana Santa Trinite Avaratra Anjoma

1949: Kolejy Anglikana Santa Laurent Ambohimanoro

1951: Sekoly Protestanta Ranaivosoa

1962: Sekolim-pirenena momba ny ranomasina (ENEM)

Fianarana norantovina momba ny zava-kanto

1955: Ecole Provinciale de Musique Square Point carré Antanimbarinandriana,  Fianarana manokana momba ny « Clavier ».

1960 : Nanaraka fiofanana maro samihafa tao amin’ny Foibe ara-kolontsaina (Centre Culturel Albert Camus sy Centre Culturel Americain).

1964: Academie de Musique, notarihin’Atoa Andrianahevipeno,  tao Manarintsoa Isotry. Cours par correspondance (Ecole Universelle de Paris), Cours pédagogique musical. Fianarana momba ny fandrindram-peo (Traité d’harmonie musicale). Fianarana momba ny fanomanana (Traité de composition musicale).

1977 : Nandray anjara tamin’ny famoronan-kira sy fampianaran-kira : fiaraha-miasan’ny Koreana sy Malagasy.

1978 : Nandray anjara tamin’ny fiaraha-miasan’ny République Populaire de Chine sy Madagasikara. Nitety faritra maro tany Toliary. Nandray feo ary anisan’ny nandray anjara tamin’ny fitsarana ny hira revolisionera tamin’ny fotoan’androny.

-Nandeha tany ivelany niofana momba ny lafiny pedagojia tao amin’ny Institut de recherches pédagogiques tao Paris sy Allemagne.

-Nandray anjara tamin’ny fifaninana Hira Noely, manambara ny fitantarana manontolo (Musique descriptive) ny nahaterahan’ny Mpamonjy, izay nokarakarain’ny Radiom-pirenena tamin’ny 1972 ka nahazo laharana fahefatra tamin’izany ny hira noforoniny mitondra ny lohateny hoe : « Sasak’alina mahagaga».

-Nandray anjara tamin’ny fanokanana ny trano vaovaon’ny Ministeran’ny vola sy ny toe-karena tamin’ny 1965.

Ireo toerana samihafa nandraisany andraikitra, indrindra ny lafiny zava-kanto

-1975 : Direction Socio-culturelle Antananarivo , Ministeran’ny tanora.

Nandray anjara tamin’ny fampianarana ireo ankizy zanaky ny mpiasan’ny Banky Foibe Antaninarenina Antananarivo tamin’ny fankalazana ny Noely talohan’ny taona 1976.

-1976 : Niandraikitra mozika tao amin’ny Ministeran’ny Zava-kanto sy ny kolontsaina revolisionera

-Novambra 1978 : Fampianarana mozika tao amin’ny Lapan’ny ankizy mpisava lalana, Toamasina (Palais des  enfants pionniers)

-Tale teknikan’ny Foibe Fampianarana mozika (CNEM)

Hatramin’ny nipetrahany, izy sy ny ankohonany, tao Toamasina nanomboka ny taona 1978, dia anisan’ny nandray anjara feno tamin’ny fitendrena zava-maneno sy fampianaran-kira ny Fiangonana, ny Diakona, ny Katekomena ary ny Sampana maro tao amin’ny FJKM Tranovato Fitiavana sy ny Synodamparitany ary ny Fiangonana rahavavy izy.

Nampiofana sy nampianatra hira ny Antoko Mpihira tao Antananarivo sy tany amin’ny faritany izy.

-Manodidina ny 200 izao  ny sanganasa vitany nanomboka tamin’ny taona 1965 no ho mankaty (2015), ary anisan’izany ireto sanganasa maro mpahafantatra ireto: “Andriamanitra ve mandao?” “O! ry fireneko”, “Avia, ry ondriko ô!”

-Ny raki-kira voalohany, dia navoaka tamin’ny taona 2000, taona nanamarihana ny faha 35 taona namoronany hira sy ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra.

Amin’izao fankalazana ny faha 50 taona izao, dia misy ny raki-kira DVD navoakan’ny Antoko Mpihira Tsantan’Imahamasina (FJKM Atsimon’Imahamasina sy ny Feo Fiderana (FJKM Ivato Seranana).

Anisan’ny niara-niasa taminy Atoa Lucien E. Randrinarivelo izy  tamin’ny fanatontosana ny fiaraha-mihira tao amin’ny Katedraly Santa Laurent Ambohimanoro, Santa  Trinité Avaratra Anjoma, FJKM Ambodivona Filadelfia, sns.

Teo koa ny filofosany nandika ho amin’ny teny Malagasy sy solfa ireo sanganasa goavana an’ny taonjato faha XVIII sy ny taonjato hafa, toy ny sanganasan’i Haendel, Mozart, Jean Sébastien Bach, sns.

Ireo mari-boninahitra ananany

*”Chevalier de l’Ordre National” ( 04/07/ 85)

*« Officier ( 23/ 06/ 94)

*« Commandeur » (21/ 06/ 07)

………………………………………….

 

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV