Alahady 23 Jolay 2017.
Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany .
Malakia 3.1-7
Andriamanitra be fitiavana
1-Miantso ny olona hiverina Aminy
Na dia tsy manaraka izay lazain’Andriamanitra aza isika dia mbola antsoiny sy taominy hiverina Aminy (and7). Fitiavana izany satria ny fiverenana Aminy ihany no vahaolana hialana amin’ny ota. Io no làlana ahafahana mifandray indray amin’ Andriamanitra . Miverena amin’ Andriamanitra fa manimba ny ota , mahatonga fisarahana amin’ Andriamanitra , mampahory sy mampanalavitra ny fiadanana .
2-Mitaona ny olona hanaraka ny didiny
Ny fototry ny ota eto dia ny fialana tamin’ny didin’ Andriamanitra (and7) . Vokany : tonga manana ody , mijangajanga , mampahory ny mahantra sy ny kamboty ny olona . Na eo aza izany dia maneho ny fitiavany Andriamanitra ka miala nenina mitaona antsika hanaraka ny didiny . Tsy inona izany fa ny teniny voarakitra ao amin’ny Soratra masina . Hevero ny toetrantsika ankehitriny : maro ny milaza ho kristiana kanefa tsy mety manaraka izay voalazan’ny soratra masina . Saino kely anie ity e : andaniny , maro no andraran’ Andriamanitra kanefa ataontsika , ankilany kosa , maro ireo ampanaovin’ Andriamanitra kanefa tsy tanterahantsika . Ary koa , ny jentilisa tsy mety manao ny fanaon’ny kristiana fa ny kristiana kosa manaiky hanao ny fanaon’ny jentilisa . Miverena amin’ Andriamanitra fa tia antsika Izy na dia nandika ny didiny aza isika (Lio 5.32) .
Fanontaniana :
Inona no hataonao raha tsapanao fa nanota ianao ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM