Zoma 21 Jolay 2017.
Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany
Matio 11.2-15
Mitondra famonjena ny iraky ny Tompo
Iraka telo samihafa no hitantsika eto :
1-I Jaona mpanao batisa , iraka mpialoha làlana
I Jaona no nirahin’ Andriamanitra ho mpialoha làlana , hanomana ny fandraisana ny Mesia . Nankalazain’i Jesoa Izy noho ny asa nataony . Mbola hiverina indray ny Tompo ka isika Fiangonana no irahiny hanomana ny olona ho amin’ny fiaviany fanindroany indray . Miasà , ataovy ny asa nanirahan’ny Tompo antsika amin’ny fanomanana ny fiaviany indray , dia ankasitrahan’ Andriamanitra koa isika.
2-Mpianatr’ i Jaona , iraka mahatonga hafatra
Nirahina hitondra hafatra avy amin’i Jaona sy avy amin’i Jesoa ny mpianatr’i Jaona . Nisy fahafoizana tena sy fotoana tao , nisy fivezivezena koa. Tsy ho tonga lafatra raha tsy nahafoy tena sy nahafoy fotoana ireto mpianatra ireto. Manaiky ho irak’ Andriamanitra isika fiangonana ka mila mahafoy tena sy mahafoy fotoana mba hahatonga ny hafatr’ Andriamanitra ho tafita soa.
3-I Jesoa , iraka mitondra fanantenana sy famonjena
Hafatra mifono fanantenana sy milaza famonjena no valin-kafatra avy tamin’i Jesoa ho an’i Jaona . Izany rahateo no anton’ny nanirahan’Andriamanitra Azy, dia ny hitondra famonjena ho an’izao tontolo izao sy hamelona fanantenana ho an’ny kivy sy reraka am-po . Manohy ny asan’i Jesoa isika Fiangonana ka manaiky ho iraka hitondra famonjena sy hamelona fanantenana ho an’ny mpiara-belona amintsika .
Fanontaniana:
Inona tamin’ireo no efa nandraisanao anjara?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM