Arsiva FJKM / Hira maintimolaly II .
FANASANA.
-Ny Filoha sy ny Komitin’ny Arsiva sy Tranombakoka FJKM.
-Ny Tale sy ny Mpiara-miasa aminy .
-Ny Fikambanana mpanohana ( Satrana )
dia faly manasa ny Mpitandrina sy ny Mpianakavin’ny finoana ho tonga hanotrona ny Amboarampeo Hira Maintimolaly FFPM , andiany faharoa , izay hatao ao amin’ny FJKM Ambonin’ Ampamarinana ny Alahady 23 Jolay 2017 , amin’ny 2 ora sy sasany .
Ireto avy ny Antoko mpihira handray anjara :
– Orimbato, Ambatonakanga
-Taniketsa, Ambonin’ Ampamarinana
-Amboarampeo, Faravohitra
-ATAM , Anjanahary
-Maintimolaly , Anjanahary maritiora
-Aina , Ambohipotsy
-STK , Soanierana
-Feon’ny fiadanana , Fiadanana maritiora
Hisy ny fandraisana famandrihana ny Kapila mangirana ny hira maintimolaly amin’ny vidiny 6 000 ariary.
« Hitako ny làlantsara ka izorako ,
azoko ny famonjena ka hotanako tokoa »