SETELA / Tafika masina.

SEhatra TEolojika ho an’ny LAika .

Fianarana Soratra masina sy fanaovana TAFIKA MASINA

ho fampandrosoana ny fanjakan’ Andriamanitra

     Miaraka amin’ny fianarana Soratra Masina izay ampianarina ny mpianatra SETELA eny amin’ny fakiolté ny teolojia eny Ambatonakanga izay ilofosan’ny mpianatra dia manao tafika masina fampiharana ny mpianatra SETELA isan-taona ary indroa izany ao anatin’ny taona iray raha kely indrindra, any amin’ny toerana samihafa manerana an’i Madagasikara

     Mialoha ny handehanana any amin’ny Tafika masina dia tsy maintsy misy ny fijerena ifotony ny toerana haleha hahafahana mahafantatra sy miomana ary manomana izay tokony hatao any amin’ilay toerana (pré-camp). Aorian’ny tafika masina dia misy hatrany ny asa fanaraha-maso na ny « suivi et évaluation » mikasika ny TAFIKA MASINA vita rehetra, ho fitantanana sy fitaizana ireo olona nanolo-tena hanatona an’Andriamanitra mba tsy hisian’ny fiverenan-dalan’izy ireo.

     Tahaka ny fanaon’ny SETELA isan-taona dia notanterahina indray izany tafika masina izany, ny Alarobia 21 Jona ka hatramin’ny Zoma 23 Jona 2017 teo, ka nosantarina tamin’ny fokontany roa (02) tao amin’ny Kaominina ambanivohitra (Commune Rurale) Ambohitrolomahitsy, Distrika Manjakandriana, dia ny Fokontany Antokala sy ny Fokontany Ambatomitokana izany, izay misy tanàna folo (10) dia ireto avy : Amparihy, Antokala, Ambanirihana, Analamilona, Fiadanana, Mangazaka, Ambatomitokana, Ambohipiraisana, Manampisoa, Morafeno.

     Tao amin’ny FJKM Manampisoa Fiderana Synodamparitany Mananara Firaisana misy ny Mpitandrina RAKOTONDRASOA Harinanahary Voahanginirina no nitoby ny mpianatra SETELA izay notarihin’ny Mpitandrina RAMAMONJIARISOA Robert (Mpampianatra ao amin’ny Fakiolté ny teolojia ao Ambatonakanga) sy ny Filohan’ny SETELA Atoa RAKOTOSON Tovo ary ny Mpandraharaha Rtoa RAHERIVOLOLONA Voahiraniaina.

VOKATRY NY TAFIKA MASINA :

  • Isan’ny mpianatra SETELA nanao tafika masina                                : 168
  • Isan’ny tanàna voatafika                                                : 10
  • Isan’ny tokantrano voatafika : 286
  • Isan’ny olona nitoriana ny filazantsaran’I Jesoa Kristy : 745 (Tao an-trano sy teny an-tsaha)
  • Isan’ny olona nanolo-tena avy hatrany ho an’Andriamanitra : 590 (128 teny ankalamanjana)
  • Nanolo-tena nitarika (Guide) ny mpianatra nitety tanàna : Diakona tao amin’ny

                                                                                                                     FJKM Manampisoa Fiderana

  • Nisy ny fifampitana tolokevitra sy fifanomezan-tanana teo amin’ny mpianatra SETELA sy ny Biraom-piangonana ary ny Diakona miaraka amin’ny Sampana velona sy ny mpikambana AFF (Asa Fitoriana ny Filazantsara) tao amin’ny FJKM Manampisoa Fiderana, ho fiaraha-manohy ny asa fitaizana ireo nanolo-tena ho fampandrosoana ny fanjakan’Andriamanitra
  • Nisy ny asa fampaherezana nataon’ireo Mpiandry ho an’ny olona rehetra
  • Nisy ny fitiliana toe-pahasalamana maimaimpoana ho an’ny mponina sy fanomezana fanafody ireo marary ary tolo-kevitra ho an’ireo izay nangataka izany
  • Isan’ireo olona nijery ny masony (OPHTALMO)                 : 17
  • Isan’ireo olona nizaha ny fahasalamany amin’ny ankapobeny : 84
  • Nofaranana tamin’ny fiaraha-niombom-bavaka sy ny fiaraha-nisakafo ny tafika masina ho firaisan’aina ao amin’i Kristy Jesoa

  MAMY NIRINA

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV