Fanazavana Perikopa Jolay 2017

Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany

Ny perikopa voalahatra amin’ireo alahady roa farany, amin’ity volana ity, no hiaraha-mijery eto; saingy tsy ho isany kosa ny Filazantsara satria efa voalahatra teo amin’ny laharana taloha izany.

Ny tontolon’ny boky nakana ny perikopa sy izay voalazan’ny perikopa no iaingana amoahana ny lohahevitra hoe: “manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany.”

  • Ny tontolon’ny boky : Samy bokin’ny Mpaminany no voalahatra, koa azo raisina avy amin’izany fa “ny Mpaminany” no iraka manaiky ho vavolombelona. Raha ny hevitry ny teny hebreo, nadika ho mpaminany, no raisina, izy ireo dia tsy hafa fa ireo nampitondrain’ny Tompo “teny mavesa-danja” (zahao Ohab. 30, 1); “Mpahita” ny tsy hitan’ny olona satria voatsindrin’ny Fanahy Masina mpampahita; “mpiteny na mpanambara” ny tenin’ny Tompo nomena azy. Arak’ireo ny “TENY AMPITONDRAINA” no maha mpaminany ny mpaminany. Ankehitriny, ny “vaovao mahafaly” izay tsy hafa fa i Jesoa Kristy Mpamonjy no teny ampitondraina ny Fiangonana. Koa ireo rehetra manaiky ny hitondra izany no ambara ho iraka (Mpaminany). Noho izany, ny iraka manaiky ho vavolombelona dia ireo mpampita ny an’i Jesoa Kristy Mpamonjy amin’ny mpiara-belona azy mba hahazoan’ireo ampitana izany misitraka valim-pitsarana dia ny famonjena azy.

Ny Asan’ny Apostoly dia boky manambara ny tantaran’ny Fiangonana voalohany, araka ny fanasokajiana azy. Koa noho izany, ny iraka dia tsy maintsy ireo izay ao anatin’ny Fiangonana, mpanao sady iharan’ny tantara. Amin’izany, ny iraka dia azo heverina ho “ny fiombonan’ny Fiangonana manao ny asa” eo amin’ny toerana misy azy mba hamela dindo amin’izao tontolo izao ny fisiany, ka hamela tantara vaovao. Koa ny maha vavolombelona dia izy sady miasa no maneho ny tenany ho mendrika Ilay naniraka azy eo amin’izao tontolo izao ho anjara tantarany.

Ny Epistily no endriky ny fiainan’ny mpanompon’ny Tompo ampitaina ho an’ny hafa (ohatra: ho an’ny Fiangonana tany Efesosy). Raha izany no iaingana, ny iraka dia ireo izay “manaiky haneho ny tenany ho fianarana sy famonjena ho an’ny hafa”

Fijery ankapobeny ihany ireo voalaza ireo mba anehoana ny maha iraka fa izay voalazan’ny perikopa tsirairay no tsara iangana mba ho tena mpanompon’ny teny tokoa isika fa tsy ho mpanara-dohahevitra fotsiny.

  • Ny tontolon’ny perikopa

Malakia 3, 1- 7 : “Irako” no hevitry ny teny hoe: “Malakia”. Boky mitanisa ny faharatsian’ny olona izy: ny fifagaroan’ny Jiosy tamin’ny mpanompo sampy tamin’ny alalan’ny fanambadiana, ny fisaoram-bady, ny fampahoriana tsy misy fototra ny mpiara-belona, ny tsy fahombiazan’ny mpisorona…. Araka izany, ny Iraka vavolombelona dia mpampahafantatra ny olona ny hadisoany rehetra na amin’ny endrika inona na amin’ny endrika inona. Ity perikopa ity dia maminany indrindra ny fihavian’ny Tompo, tampoka, hanadio ny tempoliny. Manambara an’ny Tompo ho tonga eo amin’ny Fiangonany. Koa ny maha izy azy ka anirahana ny iraky ny Tompo dia io fanambarana ny ho fihavian’ny Tompo, hiara-dalana aminy io. Ny Tompo no hanamarina ny olony toy ny fandrendrika sy fanasana amin’ny savony. Koa ny maha vavolombelona dia ny fampahafantarana fa ny fihavian’ny Tompo indray no miantoka ny fahatanterahan’ny famonjena, dia ny fahatanterahan’ny fanamarinana ny Fiangonana hahazoany mandova fiainana mandrakizay.

Ezekiela 2,1 – 3, 3 : I Ezekiela dia isan’ireo lasan-ko babo niaraka tamin’i Joiakima tany Babilona tamin’ny taona 597, talohan’i Jesoa Kristy. Taona faha dimy taorian’ny fahababoany no nantsoin’ny Tompo ho mpaminany izy. Ity perikopa ity no mitantara ny fiantsoana azy tamin’izany fotoana izany. Koa ny iraka dia tsy maintsy ho olona mahatsiaro ho voaantson’ny Tompo fa tsy mpanira-tena. Mba hahalavorary ny iraka dia ireto no dingana na fepetra arahina: mihaino ny tenin’ny Tompo (and.1), mandray ny Fanahy Masina hahazoana mandray ny tenin’ny Tompo (and.2), mamantatra ny anirahana ( Fiangonana, ny jentilisa, ny niala tamin’ny Tompo…and. 3- 5), manana fahatokiana miatrika ny iraka (and. 6), manatanteraka iraka (and.9- 10) , mivelona amin’ny maha iraka (3, 1- 3)

Asan’ny Apostoly 14, 1- 10 : Ny Fiangonana izay manaiky ho irahina dia manana fahatokiana tanteraka satria Izy Andriamanitra no miandany (momba) aminy, ka hitan’ny olona ny fahamarinan’izay nambarany sy Ilay naniraka azy. Iraka porofoin’ny Tompo mpaniraka no voatantara eto mba hahazoan’ny nirahina hanana fahatokiana tanteraka amin’ny asa nampanaovina azy.

Efesiana 6, 14- 20 : Manamafy izay voalaza etsy amin’ny Ezekiela ity fananarana ataon’i Paoly ho an’ny Fiangonana ity. Atolony ho an’izay manaiky ho iraka ny fitaovana ilainy mba hahatanterahany ny asany : fahamarinana, rariny, fahavononana ho amin’ny fampihavanana, finoana, famonjena….

Eto am-pamaranana dia mampahery ny Fiangonana ho tena iraka mahatoky sy matoky no hampita ny vaovao mahafaly amin’ny hafa dia ny famonjen’i Jesoa Kristy.

Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra.

RAKOTOZANANY Andrianirinomena Jules, Mpitandrina.

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV