Alahadin’ny STK 2017

FANDAHARANA ALAHADY STK FJKM

« Tanora Kristiana iraky ny Tompo manaiky ho vavolombelony»
(Litorjia amin’ny endriny faharoa)

Fidirana : Hira Faneva STK

1- Fiarahabana Apostolika : Joda and.2

2- Fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra :

• Sal. 92 : 1-5
• Hira : FF 9
• Vavaka fisaorana sy fiderana

3- Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

• Hira : 761 : 2
• 5 minitra atolotry ny STK
• Hira : 763 : 1,2
• Vavaka
• Famakiana ny Soratra Masina
I Sam. 23 : 1 – 5 ; Jao. 1 : 19 – 28 ; I Pet. 5 : 1 – 11
• Hira : FF 52
• Toriteny
• Feon-kira fohy – Vavaka mangina

4- Vavaka fangatahana

• Hira : Antoko Mpihira

5- Fanambarana ny finoan’ny Fiangonana
• Fanekem-pinoana : Laharana faharoa

6- Asan’ny Fiangonana

• Raharaham-piangonana (eto no hamakiana ny hafatry ny STK Foibe)
• Rakitra : Hira : Antoko Mpihira
• Vavaka fanolorana

7- Asa vavolombelona

8- Famaranana

• Hira : 427 : 1
• Tsodrano :
• Hira : 427 : 2
• Mipetraka – Vavaka mangina

Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany

Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina

9- Feon-kira firavana

HAFATRA

Misaotra an’Andriamanitra lehibe isika fa notahiny ka nahatratra ny Alahady natokana ho an’ny STK dia ny Alahady faharoa ny volana Jolay 2017 indray. Koa amin’izao Alahady 09 Jolay izao dia miarahaba anareo Mpitandrina sy ny Fiangonana manontolo ary indrindra ny STK tsy ankanavaka sady mirary ny fitahian’i Jesoa Tompo ho an’ny tsirairay avy.
STK MIVAVAKA – MIASA – MANDROSO teny filamatra natao hiainan’ny STK tsirairay avy izany. Koa mampirisika antsika indray mba :
– Hitombo amin’ny fanolorantena ho an’i Jesoa hatrany ho STK mpivavaka miaina araka ny sitrapon’Andriamanitra marina eo amin’ny andavanandrom-piainany
– STK miasa, mandray andraikitra tandrify azy eo amin’ny fanompoany ka tsy menatra ho vavolombelon’ny Tompo amin’izany.
– Mandroso , manao dingana ho amin’ny fahatsarana hatrany, ary azo refesina ny fivoarana misy amintsika tsirairay avy.
• Koa samia manao Rakitra ho fanohanana ny STK Foibe isika amin’izao Alahady 09 Jolay 2017 izao. Aoka hifanentana ho amin’ny fanatanterahana izany ny isam-Pitandremana ho fampandrosoana ny STK mamintsika.
• Efa an-dalam-piatrehana ny fikarakarana ny IVONTOERANA eny ANKADIEFAJORO isika izao, ampirisihina ianao handrotsaka ny 500 Ar isaky ny STK , hatao isan-taona izany mba ho fiatrehana io Tetikasa Lehibe io izay kasaina ho vita ny taona 2019 izany izay hanamarihana ny faha-45 taonan’ny STK FJKMkoa mampahery ny isam-Pitandremana hanao izany.
• Miombona amin’ny tanjona fampielezana ny Filazantsara ny STK rehetra “Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara”. Aoka koa ny STK hampiely izany Filazantsara izany araka ny fandaminana isam-Pitandremana.
• Ho fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-50 taona ny FJKM dia aoka isika STK Fitandremana sy Synodamparitany samy handray anjara hanao Rakitra na tonona ary aterina mivantana aty amin’ny Foibe FJKM fa misy mandray anareo ao, ary hisy rosia omena ho an’izay manatanteraka izany.
• Miezaha manjifa ny Gazety Tanora Fianarana ary alefaso ao koa ny vaovao avy aty aminareo fa serasera mahomby ho antsika izany sady fijoroana ho vavolombelon’ny Tompo rahateo.
– Eto am-pamaranana, mankahery antsika samy ho tonga any amin’ny FIHAONAMBE NASIONALY hatao any Mahajanga ny 01 – 06 Aogositra 2017 , hitondra hery sy fivoarana lehibe ho anao izany.
• Miomana hanao fifaninanana mavitrika amin’izay atao rehetra
• Aoka ho Tanora modely isika, mendrika ny fiantsoan’ny Tompo (Efes. 4 : 1). Tohero hatrany ny fanahy ratsy avy amin’ny devoly sy ny fanangoleny amin’ny endriny samy hafa (Jak. 4 : 7). Mijoroa tsara ho vavolombelon’i Jesoa Tompo amin’ny zavatra rehetra mba ho voninahitry ny anarany ny fahavelomantsika araka ny voasoratra hoe: “Fa amin’ny zavatra rehetra, dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon’Andriamanitra izahay” II Kor. 6 : 4a

Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany !

Amin’ny anaran’ny Birao STK Foibe.

Filoha

ANDRIAMALALA Solomon Jean Dénis,Mpitandrina

Tonia:

RAJAONARIVELO Onifinaritra

 

Tsara ho fantatra

1-Alahady 09 Jolay 2017

Fotoana iombonan’ny STK FJKM tanterahina isam-Pitandremana na isam-piangonana. Koa aza adinoina ny mandrotsaka ny Rakitra ho an’ny STK Foibe. Hitanao ato ny Rakitra voarotsaka ny 01 Jona 2016 – 24 Mai 2017. Ialana tsiny raha misy tsy tafiditra fa ento any amin’ny STK Foibe ny fanamarihana.Raha toa ka arotsaka any amin’ny Banky na MVola na “Airtel Money” ny rakitra dia araho antso na hafatra amin’ny laharana eny ambany izany.

2-Sabotsy 15 Jolay 2017

Tontolo andro STK iarahana amin’ny Antoko Mpihira avy ao amin’ny Synodamparitany efatra(4) ao Antananarivo ao amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana. Hetsika ara-kolotoraly sady fampahafantarana ny fitsanganan’ny Rantsana Mozika eo anivon’ny STK Foibe. Ho an’izay mahay mitendry zava-maneno ka liana amin’izany dia antsoy ny finday (033 14 852 10)

3-Fihaonambe Nasionaly faha-7

Daty : 01 – 06 Aogositra
Toerana : Mahajanga
Fisoratana anarana : 2 000 Ariary / olona (manomboka ny volana Jolay)
Hofan-trano : Sekolim-panjakana : 1 000 Ar / olona / isan’andro
Sekoly FJKM : 1 500 Ar / olona / andro (kidoro : 500 Ar / andro)

4-Komity Fanorenana Tsangambato

Aza adinoina ny mandrotsaka 500 Ar / olona / taona mandrampahavitan’ny asa.
Toerana : Ankadiefajoro Andoharanofotsy
Asa atao : – fanorenana trano fivoriana sy filasiana
– sehatra filanonana
– toerana fitsangatsanganana
– kianja fanaovam-baolina samihafa
Hotokanana amin’ny taona 2019 izay tsangan’asa efa vita. Vola hotratrarina amin’izany dia 1 300 000 000 Ariary.

5- Fiaraha-miasan’ny STK amin’ny Tanora eo anivon’ny FFPM (STK FJKM sy FKTLM)

Tafatsangana ny Desambra 2016 ny Fikambanana Nehemia Mada Reconstruction na NMR – Marisika
Tanjona : Fanarenana ny rava eo anivon’ny Firenentsika (faharavana ara-panahy , ara-tsosialy) ary indrindra ireo geja samihafa mihatra amin’ny Tanora vokatry ny fanatontoloana.
Misy vatsy zaraina amintsika “vatsy ho an’ny Tanora” azonao alaina ao amin’ny tranon-kala izany (jereo Google)

6- Fiaraha-miasan’ny STK amin’ny Tanora eo anivon’ny FFKM (FJKM,FLM,EKAR,EEM)

Manana fikasana ny Komity aty amin’ny Foibe ny hanangana SETA Faritany. Koa mba ho fampahafantarana antsika STK FJKM ny fiombonana , fiaraha-miasa amin’ny hetsika samihafa…. dia azo tanterahina avokoa.

FANDAHARAM-POTOANA FIHAONAMBE NASIONALY faha7

MAHAJANGA  01 – 06 Aogositra  2017 (FJKM Ziona Vaovao – Complexe Sportif)

 

Andro

 

Ora

Alatsinainy

31 Jolay

Talata

01 Aogositra

Alarobia

02 Aogositra

Alakamisy

03 Aogositra

Zoma

04 Aogositra

Sabotsy

05 Aogositra

Alahady

06 Aogositra

7ora Hazakazaka

an-tongotra  bisikileta

Filaharambe
7ora 30

 

 

9ora

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Fanompoam-

pivavahana

 

FANOKAFANA FIHAONAMBE

 

Fampianarana

(Fitiavana)

Filoha STK Foibe teo aloha

 

 

 

Fanatanjahan-tena

 

 

 

Fampianarana

( Finoana)

Tonia Departemanta Fiangonana

 

 

Fanatanjahan-tena

Fampianarana

(Asa)

Filoha STK Foibe

 

 

 

 

Fanatanjahan-tena

 

 

 

 

Fampahafantarana sy fifampizarana

-Teen Ketrika

– EBM FJKM

– NMR.Marisika

– Hafatra ho an’ny STK

– Samihafa

 

 

 

Fanompoam-pivavahana

 

FAMARANANA FIHAONAMBE

 

 

2ora

 

 

 

 

 

FAHATONGAVANA

Fampianarana

( Fanarenana ny rava)

Filoha FJKM

 

 

Fanatanjahan-tena

 

 

 

 

 

Fanatanjahan-tena

 

 

 

 

 

Fanatanjahan-tena

 

 

Fotoana malalaka

 

 

Famaranana

 

– Fanatanjahan-tena

 

– Hira solfa

 

– Soratra Masina

 

-Baolina kitra

 

 

 

 

FIVERENANA

 Iombonana ny hetsika : any amin’ny

 

-Village touristique

 

– Bord de la mer

 

6ora Fifaninanana

Soratra Masina sy Hira

Fifaninanana

Soratra Masina sy Hira

Fifaninanana

Soratra Masina sy Hira

Fifaninanana

Soratra Masina sy Hira

Alina mahafinaritra

 

Fanamarihina: hisy fampiofanana manokana ho an’izay liana, tontolo andro: “STK miatrika ny famoronana asa”

 

 

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV