SAMPATI / Fihaonambe 2017
FAMPAHAFANTARANA
FIHAONAM-BE SAMPATI FJKM 2017
Araka ny fantatsika notapahin’ny Zaikabe dia ho tanterahina any amin”ny SYNODAMPARITANY MANANJARY PANGALANES ny FIHAONAMBE 2017. Toy izao ny dinidinika :
– Ny 01 Aogositra dia KOMITY FOIBE
– Ny 2- 4 Aogositra no FIHAONAMBE hanasana ny mpikambana rehetra tsy ankanavaka, anaovanay ANTSO MANOKANA ny FILOHA rehetra zanaky ny FJKM mba ho tonga hanatrika fa hisy fifanakalozan-kevitra ho tanterahantsika hampandrosoana ny asan’Andriamanitra.
– Misy fandraisana anjara Ar 500 ( dimanjato ariary) isan’olona ho fanampiana ny fampandehanana ny asa rehetra any sy ho fisoratana anarana ka ny faha- 15 Jolay 2017 no fara-fandraisana izany, mba hanomanana ny “Badge” ho an’ny mpivory rehetra. Samy manao izay hahatongavany any ary MAMELON- TENA ny Sampati Fitandremana tsirairay.
Aoka ho vita mialoha kosa ny fifanitsanana mikasika ireto :
– SORATRA MASINA : I sy II Samoela; Jaona 10- 15 ary ny Apokalypsy 21. Omanina koa ny mikasika ny biby sy zava-maniry rehetra ao anaty Baiboly. Hisy tondrozotra hafa mikasika ny hafatry ny Filohan’ny FJKM hoe: “Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara”. Ka hahazoana isa koa ny fanatanterahana izany.
– KOLO TALENTA : vako- drazana ka hira noforonina fa tsy nadika na novàna ny tonony, fa ny foto- kevitra dia “Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara”. Fitafy Malagasy no hanaovana.
– CARNAVAL: toy izay koa ny aseho dia SAMPATI manatanteraka ny “Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara”, hanodidina ny tanàna isika ka FITAFY TENA MALAGASY no hanaovana.
– FANATANJAHAN- TENA : sampana mavo: scouting- ball, sampana maitso : foot à 7, sampana mena: basket- balla ka “mixte”, olon-dehibe : “pétanque”.
Misy afisy ho anareo mamintina izany. Koa samia àry mitondra am-bavaka izany rehetra izany isika. Dia manao veloma ombam-pirariantsoa eo ambany fahasoavan’I Jesoa Kristy Tompo.
DINIDINIKA MOMBA IREO FIFANINANANA
Ampahatsiahivina antsika ireto :
Ny 1 aogositra 2017 : KOMITY FOIBE.
Ny 2-4 Aogositra 2017 : FIHAONAMBE, antsoina manokana ny FILOHA Mpanazava sy Tily zanaky ny FJKM fa hifanakalo hevitra isika ny amin’izay ho fomba fiasa ho avy. Aza adinoina fa alefa mialoha ny fisoratana anarana 500 Ariary ho an’ny tsirairay.
Toy izao ny mikasika ny fifaninanana SORATRA MASINA
• Fifanintsanana ataon’ny SP amin’ny fitandremana misy ao aminy. Ka ireto no hanadinana : I Sam toko 1-8 ; II Sam toko 13 h@ 19.41. Jao 10-15 ka ny votoatin’ny tantara voalazan’ny sora-mandry no ilaina tadidiana. Apo 21 : Mamorona hira andininy 3 misy isan’andininy atao anaty CD na Flash amin’ny Apo 21.1, 2,27.Feon-kira avy any an-toerana.
• Fifaninanana mitadidy Soratra Masina ka tanisaina am-bava. Ohatra : Salamo 23 tanisaina hatramin’ny farany. Izay mahavita lavitra indrindra no mahazo isa ambony.
• Biby sy zava-maniry anaty Baiboly.
• VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA : Alaina tahaka ny TRAKTA Fitoriana Filazantsara etsy ambany. Ny beazina mihitsy no mandeha, mizara ny trakta sady miresaka ka rehefa vita ny dinidinika dia mangataka sonia na rangompohy amin’ilay olona noresahiny izy.
Ny Mpiandraikitra sy ny Filohan’ny KP no manamarina amin’ny taratasy fa tena nandeha tokoa ireo beazina ireo. Atao anaty valopy ny Sonia rehetra voaangon’ny fivondronana ka tsy manome isa ny Synodamparitany fa mampiakatra izany entina Fihaonambe. Hahazo valisoa izay hita fa nanao tsara sy nahavita betsaka.
Ny ampiakarinareo hifaninana amin’ny Fihaonambe dia Ekipa 1 =Fivondronana 1 ahitana ireto : KP,Mpiandraikitra, Sampana Mena Fify, Mena, Maitso, Mavo, Tily sy Mpanazava iray avy.
KOLO TALENTA
Vako-drazana ka hira noforonina fa tsy nadika na novana tonony, ka ny foto-kevitra dia VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA. Fitafy Malagasy no hanaovana. 8 mn ambony sehatra. Ny beazina rehetra no mandray anjara.
CARNAVAL
Aseho amin’ny alalan’ny fihetsika, fitafy, sy ny sisa, ny fitoriana Filazantsara. Lohahevitra : Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara.
FANATANJAHANTENA
Zava-kendrena : SAMPATI mampiseho ny fahaiza-manao ao anatin’ny Fahendrena sy fiombonana.
SAMPATI mahay mampiseho Fijoroana Vavolombelona ao anatin’ny Lalao.
SAMPATI mampiseho ny toetra maha-kristiana sy maha-skoto eo am-pilalaovana.
Sampana Mavo : Scouting-Ball ; Sampana Maitso : Foot à 7 ; Sampana Mena sy Mena Fify : Basket-Ball ka Mixte ; Olon-dehibe = Mpikambana mpitantana, Mpikambana mpanohana : Pétanque ka olona 3 isaky ny SP, mitondra « boules pétanques ».
Aoka ho hajaina ireto fepetra ireto : Fivondronana tafakatra avy any amin’ny Synodamparitany no milalao ; Nankatoavin’ny rafitra ; Manana taratasy fanolorana mazava ; Manana karatra SAMPATI avokoa
FITAOVANA
Toy ny mahazatra antsika dia hisy FITAOVANA SAMPATI FOIBE amidy amin’io fotoana io toy ny SATROKA, CASQUETTE, STYLO, KITAPO, Pin’ssy ny marohafa. Koa aoka hiomana amin’izany isika mba hivimbina fahatsiarovana rehefa hitodi-doha hody.
FITAFY IOMBONANA
Manana ny « Tenue SAMPATI » ny olon-dehibe rehetra, ny an’ny beazina dia ny fanamiana maha-skoto ihany. Hisy koa anefa ny « T-SHIRT FIHAONAMBE izay iombonana amin’ny fotoana voafaritra hanehoana fijoroana vavolombelona.
Samia ary mitondra ambavaka izany rehetra izany. Ary koa manao veloma ombam-pirariantsoa eo ambany fahasoavan’I Jesoa Kristy Tompo.
Ny Filoha
RAKOTOVAO Hajarimiadana, Mpitandrina
Ny Mpitantsoratra
RANDRIANOELINA Hanitra, Mpitandrina