Hafatry ny Filoha / Jiona 2017
Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara !
Fa izany dia izany
No faratampony tokoa
Ho fitiavan-tanindrazana
Fa ny firenena tiana
Dia asondrotra ho ambony,
Nefa ny ambony indrindra
Tsisy mihoatra ny any an-danitra !
Fa ny firenena tiana
Dia hasoavina ho tsara
Nefa tsisy tena tsara
Toy ny hoe i Jesoa no Tompo
Sy manjaka manontolo
Eto Madagasikara !
Fa ny firenena tiana
Dia iriana marimarina
Mba ho sambatra tokoa
tsy amin’ny hira fotsiny ihany,
Fa fahasambarana hahatratra
Ny amin’ny isam-baravarana !
Kanefa iza moa no sambatra ?
Ny firenena izay voalaza
Fa manana an’i Jesoa Tompo
Ho an’Andriamanitra inoany ,
Ka ireo Mpitondra, olon-tsoa
Tena minoa an’i Jesoa,
Ny vahoaka maro ana isa,
Miroso ho any Paradisa !
Ry olom-pirenena vanona :
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !
Irako ANDRIAMAHAZOSOA AMMI , Mpitandrina
Filohan’ny FJKM