Mpitarika kristiana !!

RAHA TE HO MPITARIKA KRISTIANA

Misy Mpitarika samihafa amin’ny sehatra maro. Eo ny mpitarika orinasa, eo ny mpitarika fikambanana tsotra toy ny teraky ny Faritany iray, eo koa ny mpitarika kristiana. Miteraka Fanontaniana izany, rehefa mijery ny zava-misy ny olona. Toy inona ary ny Mpitarika Kristiana?

  • MODELY

Any amin’ny toerana sy sehatra alehany, dia izy no ahafantaran’ny tsy kristiana hoe toy izao hitako izao ny atao hoe kristiana. Ohatra, olona mazoto miasa, ary tia manao zavatra tsara sy ara-potoana. Izany no hitany ao amin’ny sehatry ny asa ivelan’ny Fiangonana.

Tsy miankina amin’ny asany izany maha Modely azy izany. Tsy hoe satria aho Mpitandrina, dia lasa Modely ho azy ho an’ny hafa. Misy fitaratra matroka tsy ahitana izay modely hotahafina akory. Ary misy fitaratra tena manome ny modely tadiavin’ny hafa. Fa miankina amin’ny maha izy azy ny Mpitarika kristiana izany. “Olona tsy manan-tsiny” izy (I Tim 3:2). Ka ny Mpitandrina no voateny eo, nefa marina amin’ny Mpitarika kristiana rehetra izany.

Tsy mba miahiahy azy ny olona rehefa Modely ny Mpitarika kristiana. Itokisany izy amin’ny fitondrantena, amin’ny vola. Olona tsy hanao na hampanao kolikoly koa ny Mpitarika kristiana, ary tsy hiditra velively amin’ny fisolokiana. Mitovy tsara ny teny sy izay nataony. Ary izany ihany no ahafantarana ny olona tena vavolombelona, sady tsy menatra ho vavolombelona (II Tim 1:8).

  • TO TENY

Ny Mpitarika to teny dia olona mahatapa-kevitra. Izay ilay antsoina hoe fahefana manapakevitra (autorité décisionnelle). Tena misy ny Mpitarika Fiangonana, nefa ny hafa no manapa-kevitra eo amin’ny toerany: zavatra tsy tokony hisy velively izany. Tsy ho to teny mihitsy ary ny Mpitarika misalasala lava, manilika amin’ny hafa ny andraikitra manapa-kevitra.

Io Mpitarika to teny io koa dia olona mahay tsara ny asany. Izany no fahefana mahay miasa (autorité fonctionnelle). Mianatra mandrakariva ny asany sy izay takin’ny asany izy. Liana hatrany amin’izay zava-baovao mahakasika izany asany izany.Tsy ho to teny mihitsy izay tsy mivoatra, tsy mianatra, « tsy mikely aina amin’ny teny sy ny fampianarana » (I Tim 5 :17).

  • MANOMPO

Ity manaraka ity dia tena mampiavaka tokoa ny Mpitarika kristiana. Jesoa Kristy no tafahiny eto. “Tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo” Aho, hoy Izy (Mat 20:28). “Izaho dia eo aminareo toy izay manompo” (Lio 22:27), izay lehibe dia aoka toy ny zandry, ary ny manapaka dia aoka toy ny mpanompo (Lio 22:26).  Soatoavina Hafa tanteraka noho izay niainana fahizany sy mitohy mandraka ankehitriny izany: ny lehibe sy ny mpanapaka dia tompoina ary takina amin’ny zandry sy ny mpanompo mihitsy izany.

Ho an’ny Tompo Jesoa anefa, dia tsy olona famingavinga ireo Mpitarika kristiana manompo ireo. Tsy eken’ny Soratra Masina velively ny fisian’ny Mpitandrina miasa tsy afaka miasa amin’ny fifaliana, fa amin’ny fisentoana (Heb 13:17). Heno hatrany ny fisian’andian’olona manao izany amin’ny Mpitandrina, ary mbola  hampamoahana amin’izany isika.

Eo koa anefa ny Mpitandrina izay mirehareha sy manimba ny mpiara-miasa aminy, noho izy mitana fahefana. Voararan’ny Soratra Masina “tsy manjakazaka amin’ny anjara fiandrasana” (I Pet 5:3) isika Mpitandrina. Heno mantsy ny Diakona na Mpitarika sampana no nanaovany antsojay sy toeran-tsy zaka, ary mbola hampamoahana amin’izany koa isika.

  • RESY LAHATRA

Tsy hahavita ny asany ny Mpitarika kristiana tsy manana faharesen-dahatra. Ny Soratra Masina ihany no maharesy lahatra azy, ary izany dia araka ny fampianaran’ny Fiangonana misy azy. Misy resy lahatry ny fampianaran’ny Fiangonana na Antokom-pivavahana hafa, ka hampiteraka fikorontanana izany.

Ny olona resy lahatra, no afaka hampahery izay olona mila hiala amin’ny andraikitra tanany, noho ny antony samihafa. “Ampaherezonareo ny Tanana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy” (Isa 35:3). Izy koa no afaka hampiray hina ny mpiara-miasa sy ny Fiangonana misy azy. Ary hainy tsara ny manaja ireo mpiara-miasa aminy noho ny amin’ny Tompo sy ny andraikitra nitokisan’ny Fiangonana azy ireo.

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV