Alahady 26 Febroary 2017
VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO
HEBREO 10.11-18
Ny fanatitra nataon’i Kristy
Teo amin’ny Jiosy dia tsy tapaka isanandro ny fanaovana fanatitra , misy ny maraina , misy ny hariva (Nom 28.26). Ambaran’ny Soratra masina eto ny mampiavaka ny fanatitra izay nataon’i Kristy .
1-Indray mandeha monja (and11,12)
Izay nataon’i Kristy ho antsika kosa dia hafa satria : indray mandeha monja (and12) ary ampy ho famonjena antsika rehetra . Nanolotra ny tenany hanao ny ny sitrapon’ Andriamanitra Izy , ny fiainany manontolo mihitsy no fanatitra velona fa tsy ny fahafatesany ihany . Efa vitany ny fisoloana heloka antsika rehetra , araka ny voasoratra hoe : « … Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika , sy notorotoroana noho ny helotsika , ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy , ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana antsika » (Isa 53.5) .Minoa fa efa voavela ny fahotantsika noho izay nataon’i Kristy .
2-Maharitra mandrakizay (and14)
Teo amin’ny Jiosy , ny fanatitra natao omaly dia tsy ampy ho an’ny andro androany , ka izany no namerimberenana azy. Fa ny an’i Kristy kosa , rehefa natao indray mandeha dia mahavita miantoka ny fiainantsika haharitra mandrakizay .
Fanontaniana :
Inona kosa no mba havalinao ny Tompo noho ny fanatitra izay nataony ho fanavotana anao ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM