Sabotsy 25 Febroary 2017

Vavolombelon’ny fanekeny ny Tompo

Eksodosy 14,26-31

Ny fomba anavotan’Andriamanitra ny olony.

Ity tantara ity no mampiseho ny fandresena faratampony azon’ny Zanak’Israely teo anatrehan’ny Eguptiana.Ahoana àry ny fomba nandresena azy ireo ?

1.Izy no nanokatra ny lalana hivoahana amin’ny loza (and.26,29)

Nampatahotra ny Israelita izay toa afa-mandositra intsony ny fahitana ny tafika marobe tonga manatona azy.Tampoka teo anefa dia indro nisokatra ny làlana,fa nisaraka ny ranomasina,ka nandia tany maina namaky ny afovoan’ny ranomasina ny Zanak’Israely.Mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela antsika halaim-panahy mihoatra noho izay zakantsika,ary amin’nizany dia efa hasiany làlana hahafahana miala (1Kor.10,13).

2.Izy no miady amin’ny fahavalo.

Rehefa tonga tonga teo ampovovoan’ny rano ireo fahavalo,dia nikatona indray nyrano ary dia ripaka tao anatin’ny fotoana fohy.Nahita izany ny Zanak’Israely ka natahotra an’i Jehovah ary nino Azy.Ny toy izany indrindra no nampiaiky ny mpianatr’i Jesoa ka ilazany hoe : »Iza moa ity,fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy, »(Mar .4,41).Tonga mpandresy ny Zanak’Israely .Tonga mpandresy koa isika,Jesoa no niady ho antsika ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana .
Fanontaniana :
Mino ve ianao fa hain’Andriamanitra tokoa ny zavatra rehetra ?

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV