Alakamisy 23 Febroary 2017
VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO
ROMANA 10.11-18
Ireo dingana ho amin’ny finoana
Ny finoana an’i Jesoa Kristy irery ihany no mahavonjy : Ho an’ny olona rehetra ny famonjena (and11-13). Ireto no dingana hahatrarana ny finoana :
1-Fanekena ho iraka (and17)
« …hataony ahoana no fitory raha tsy nirahina ? » (and 15). Izay nirahin’ny Tompo ihany no afaka hitondra famonjena ho an’ny hafa . Meteza ho iraky ny Tompo fa aza mijanona fotsiny ao amin’ny rindrina efatry ny fiangonana . Izao no ataovy : « inty aho, iraho aho »
2-Fitoriana ny Filazantsara
« …hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitoriteny ? »(DIEM). Adidin’ny fiangonana ny manofana olona ho mpitoriteny sy hanao Tafika masina , mba hahatonga ny olona any rehetra any handre ny Tenin’ Andriamanitra.
3-Fandraisana ny hafatra (and 14)
« …hataony ahoana no fino Azy raha tsy efa reny ? » (DIEM) . Rehefa notorina tamin’ny olona ny Tenin’ Andriamanitra , dia efa nandre izy izany . Tsy hisy intsony ho afaka hiala tsiny ka hilaza fa mbola tsy nahare. Anjarany sisa ny manapa-kevitra . Izay mandray ny hafatra , manaiky amin’ny vavany eo imason’ny olona sady mino amin’ny fony fa I JESOA KRISTY no Tompo sy Mpamonjy azy .
Fanontaniana :
Nahoana no vitsy ny olona manaiky handeha hanao Tafika masina ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM