Talata 21 Febroary 2017

 

VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO

2 SAMOELA 7.25-29

Ny  vavaky  ny  mpanjaka

 

Nanome fampanantenana  ho an’i Davida mpanjaka ny Tompo  fa hitahy  azy sy hahalehibe ny anarany. Izany no nanetsika  ny fon’ny mpanjaka hanandratra vavaka . Misy fizarana roa ilay vavaka , ka ao anatin’ny fizarana faharoa (and22-29) no hitantsika eto .

1-Apetraka eo anatrehan’ny Tompo  ny fitondrana

Hoy ny and 25 : « Ankehitriny  ry Tompo Andriamanitra ô ny fampanantenana nolazainao  momba  ahy  sy ny taranako  dia tano mandrakizay  ary ataovy araka izay efa nampanantenainao «  (DIEM). Ekeny fa Andriamanitra  no efa nifidy  ny vahoakan’Israely . Izy  no nametraka  an’i Davida  ho eo amin’ny seza fiandrianana maha-mpanjaka . Izay rehetra manana fahefana sy mipetraka  eo amin’ny toeran’ny mpitondra dia tokony hanetry tena sy hahatsiaro fa Andriamanitra  no nanendry  azy . »Fa tsy  misy fahefana  afa-tsy  izay  avy amin’ Andriamanitra , fa izay  misy  dia voatendrin’ Andriamanitra » (Rom 13.1).

2-Mivavaka  ho an’ny taranany

Hoy ny and 29 : « …dia aoka  ho sitrakao  ny hitahy  ny taranaky ny mpanomponao  haharitra mandrakizay eo anatrehanao… ». Aoka hametraka  ny ho avin’ ny taranaka  eo ampelatànan’ny Tompo isika . Adidintsika ny mivavaka  sy mitaona azy ireo hanara-dia  an’i Jesoa .

Fanontaniana :

Nahona  no misy kristiana tsy  mahataona  ny ankohonany hivavaka ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM  

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV