Rafitry ny Fiangonana

Ny Fitandremana

                Hilaza ny efa iaraha-mahita raha hanoratra ny amin’ny Fitandremana etoana. Ny Fitandremana no ambaratongan-drafitra fototra ato amin’ny FJKM. Ny Foto-dalana andininy faha-15 dia mamaritra ny Fitandremana ho toy izao: “Ny Fitandremana dia Fiangonana iray (1) na maromaro entin’ny Mpitandrina iray (1) araka ny fandaminana ataon’ny Komity Lehiben’ny Synodamparitany”.

Mba hahazoana manorina ny Fitandremana dia tsy maintsy misy ny Fiangonana sy ny Mpitandrina.

Ankilany, ny Fiangonana dia: “fitambaran’ny mpiara-mivavaka sy mpiara-miangona amin’ny toerana iray araka ny fotopinoana sy ny fomba ary adidy iraisan’ny FJKM”. (FD and.10). Misokajy telo ny olona hita ao anatiny (FDF and. 11) dia ny Vita Batisa sy ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo ary ny Mpiara-mivavaka. “Mikarakara ny olona rehetra sy ny olona manontolo, araka ny fomba sy ny adidin’ny FJKM,” no adidiny amin’izany (FDF and. 13)

Fa andaniny kosa, ny Mpitandrina dia “izay mahatsiaro ny tenany fa voantson’Andriamanitra ka niomana sy nianatra ara-dalàna tao amin’ireo Toeram-Panomanana Mpitandrina an’ny FJKM na Toeram-Panomanana Mpitandrina hafa eken’ny FJKM, ka nirahina ho amin’ny fanompoana masina ao amin’ny Fiangonana”.(FDF And. 39)

Koa mba hahazoantsika an-tsaina ny halehiben’ny asan’ny FJKM dia indro misy antontanisa noraisina avy tao amin’ny “Diary FJKM” taona 2016 lasa teo. Miisa 7 134 ny Fiangonana izay mivondrona ao anatin’ny Fitandremana miisa 1 936. Koa raha atao ny salan’isa dia Fiangonana miisa efatra (04) eo ho eo no mitambatra ho Fitandremana iray.

Fantatra anefa fa efa maro ny Fiangonana iray ihany no sady Fiangonana no Fitandremana kanefa misy ny mihoatra ny 30 ny Fiangonana ao anatin’ny Fitandremana iray. Ohatra, ny Fitandremana Vohilengo ao amin’ny Synodamparitany Afovoany Atsinanana Vaovao (Fenoarivo Atsinanana), entin’ny Mpitandrina BEAROY Etienne, dia miisa 30 ny Fiangonana ao anatin’izany Fitandremana izany. Alao sary an-tsaina hoe: Fiangonana iray isan’Alahady no anaovany ny asam-panompoana dia ho ao anatin’ny taona iray sy tapany eo ho eo vao hotafaverina ao amin’ny Fiangonana voalohany nalehany izy.

Fa amin’ny Fitandremana miisa 1 936 dia Mpitandrina 1 298 monja no amperinasa miandraikitra izany. Raha izany no izy, Fitandremana 1 298 ihany no mahafeno ny fepetra araka ny famaritan’ny Foto-dalana ny antsoina hoe: Fitandremana. Noho izany, Fitandremana 638 no tsy maintsy anendrena Katekista Delegé mba hiara-miasa amin’ny Mpitandrina ho amin’ny fitondrana ireo Fitandremana tsy manana Mpitandrina ireo. Noho izany, ny asan’ny Katekista Delegé dia mifamatotra amin’ny andraikitra omen’ny Mpitandrina izay miahy azy mba ho fanatanterahana ny voalazan’ny Foto-dalana amin’ny antsoina hoe: Fitandremana. Io Mpitandrina miahy azy io no manao ny tatitra amin’ny ambaratongam-pitondrana eo amboniny, isa-taona, mba hahazoana mankato, mba ho antoky ny ho fitohizan’ny asan’ilay Katekista Delegé amin’ny taona manaraka.

Eo anivon’ny Fitandremana no mitoetra ny ambaratongam-pitondrana (Birao- Mpihevidraharaha-Mpandray ny Fanasan’ny Tompo) na dia misandrahaka any anivon’ny Fiangonana aza ireo olona mandrafitra ny mpikambana ao anatin’ny ambaratongam-pitondrana. Amin’izany dia tsaroana ho mavesatra ny asa iantsorohan’ireo Fitandremana manana Fiangonana maro ho amin’ny fandavorariana ny ho fampandrosoana ny asan’Andriamanitra narafitra ho tanterahiny, araka ny Foto-dalana sy fitsipika. Koa raha tiana ny hampandroso haingana ny asan’ny Fiangonana amin’ny maha Fiangonana azy, dia ny ho fampitomboana isa ny Mpitandrina no vahaolana tsara sy haingana indrindra. Iny Synoda Lehibe iny dia efa nametraka vina fa hanatratra Mpitandrina vaovao miisa 150 isa-taona no havoaka. Mitaky andraikitra ho an’ny rehetra ny fanatanterahana izany satria ny fiahiana ny Toeram-panomanana sy ny Mpiomana ho Mpitandrina dia voasokajy ho asa iombonana; izany hoe: iarahan’ny Fitandremana, SP, ary ny Foibe misalahy.

Tiana anefa ny manao izao fanamarihana izao: raha manao ny asany ny Fiangonana dia tsy maintsy mitombo ny isan’ireo vondrona mpiara-mivavaka teraka, ka handrafitra Fiangonana vaovao. Ny “vina vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara” dia azo antoka fa hampiroborobo ny fitomboan’isan’ny Fiangonana. Koa angamba tsy maintsy hijery lavitra isika ho amin’ny fampitomboana isa ny Mpitandrina vaovao hihoatra ny efa novinavinaina. Saingy miankina amin’ny fifanomezan-tanan’ny rehetra anefa izany.

Andeha hiara-mientana mba hanatratra nofy tsara fa hiova ny famaritana ny Fitandremana, ka ho Fiangonana iray entin’ny Mpitandrina iray no hantsoina hoe: Fitandremana; amin’izany, hitovy isa ny Fiangonana sy ny isan’ny Mpitandrina.

Rasorapiangonana

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV